Politique

Mpikambana ao amin’ny CT sy CST “Miala daholo !”, hoy i Fransman


  • Alatsinainy 28 Novambra 2011

Azo ambara fa vita ihany iny ny momba ny fizarana toerana eo anivon’ny governemanta.

 Tamin’iny herinandro iny dia efa nisy ny dinika natao teny Iavoloha ny amin’ny fanohizana ny fampiharana ny sori-dalana ka ao anatin’izany ny momba ireo mpikambana eo anivon’ireo andrim-panjakana sasany toy ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny Vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana. Niteraka resabe ny hoe fampitomboana sa fanovana tanteraka ireo mpikambana no hatao amin’ireo rafitry ny tetezamita ireo. Ho an’ireo mpikambana sy mahazo tombontsoa ao amin’izao fotoana izao moa dia voizina ny hoe fanitarana ny Kongresin’ny tetezamita (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) no izy. Ho an’ny mpanohitra indray dia fanavaozana tanteraka no tena izy.

Rehefa raikitra àry ny adihevitra dia nambaran’ireo solontenan’ireo efa mpikambana ao amin’izao fotoana izao fa na 600 aza ny ho isan’ireo mpikambana ao amin’ny CT sy CST dia tsy ho olana. Mazava anefa ny tenin’ny masoivohon’i Afrika Atsimo, hoy ny depioten’Arivonimamo teo aloha, Rakotomanjato Rodin, izay anisan’ny nanatrika ny fihaonana fa “raha manam-bola ianareo dia midira ao daholo”. Tsy naharesy lahatra ireo mbola te hifikitra amin’ny toerana anefa izany ka dia voatery nantsoina mihitsy ingahy Marius Fransman. Tamin’izany àry no nilazan’ity farany, araka ny tatitry ny depiote Rodin ihany fa dia “tsy fanitarana no izy ary tsy fanampiana ireo efa mpikambana ao amin’ny CT sy CST ihany koa fa miala daholo ireo efa ao amin’ireo CT sy CST ireo”. Ireo nanao sonia ny sori-dalana ihany koa no hany mahazo alalana mampiditra olona amin’ireo rafitra ireo.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT