Politique

Mpikambana ao amin’ny CES Tsy mbola voatendry ara-dalŕna ?


  • Talata 02 Aprily 2013

Tsy mbola misy hatramin’izao ny didim-panjakana manendry ireo mpikambana ao amin’ny Cour electorale Speciale na CES , izay rafitra manokana natsangana mba handray sy handinika ny antontan-taratasin’ireo kandida amin’ny fifidianana.

 Voatondro anefa fa ny 8 mey izao no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fandraisana ny antontan-taratasy, izany hoe afaka herinandro. Raha ny tokony ho izy dia tendrena amin’ny fomba ofisialy amina alalana didim-panjakana ny mpikambana ao amin’ity CES ity izay ahitana mpitsara 8 miampy ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izay filoha mitarika azy. Aorian’izay dia tokony hanao fianianana amin’ny alalan’ny lanonam-pitsarana, tahaka ny nataon’ny mpikambana tao amin’ny CENI-T sy ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy ireto mpikambana ao amin’ny CES ireo, izay vao miasa.

Raha ny marina izany dia tokony ho vita amin’ity herinandro ity izany rehetra izany satria amin’ny alatsinainy no manomboka miasa ny Cour electorale Speciale ka ho hita eo indray izay hitranga mandritra ny filankevitry ny governemanta anio sy ny filankevitry ny minisitra rahampitso. Tena saropady ny asa sahanin’ireo mpitsara ao anatin’ny CES satria izy ireo izany no manapa-kevitra hoe ekena na lavina ny filatsahan-kofidian’ny kandida izatsy na izaroa, aorian’ny fandinihana ny antontan-taratasiny ny mety mbola fanaovana fanadihadiana hafa. Rariny sy hitsiny raha manaraka sy manaja ny lalàna koa izy ireo, mialoha ny handraisany ny asany fa tsy hoe tondrotondroina fotsiny dia tonga dia miasa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT