Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Maestro ireo ao anatin’ny mpandrindra ny mpikamban’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita, notarihan’Atoa isany Ralison Roger, Randriamaholison Jules, Elysé Ratsiraka, Rakotovazaha Olivier
Tsy afaka hitazam-potsiny izy ireo, manoloana ny toe-draharaha satria nametraka izao fitondrana Repoblika IV izao sy nandany ireo lalàna ampiasaina ankehitriny. Nanamafy izy ireo fa mampiahiahy ny fomba fitantanana sy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondrana tato ho ato. Tsy nahitana soritra ny fiovana sy ny rivo-baovao nandrasana. Miaina anaty fahasahiranana ny Malagasy. Nanamafy ireo Cst fa efa fanaon’ny fitondrana teo aloha ny fiheverana fa azy i Madagasikara ka izay tiany no atao. Ohatra notanisaina, ny fanapahan-kevitra handoro ireo andramena nogiazana. Fiheverana ny vahoaka ho tsy mahalala na inona inona, raha ny fanazavana. Lalana iray mizotra mankany amin’ny fanilihana ny harem-pirenena izany.
Nambaran’ireto Cst ireto fa fanapahan-kevitra mampiahiahy koa ny fametrahana ireo olona akaiky ny filohampirenena sy ny mpikamban’ny Hery Vaovaon’i Madagasikara any amin’ireo orinasam-panjakana, toy ny Air Mad, ny Kraomita. Ny fanagadrana mpanao gazety, izay heverin’izy ireo fa tena tsy rariny.
Tsy ampy ny “coup d’arrêt”
“Natao hiaraka hiasa ny mpitondra sy ny mpanao politika ary ny mpanao gazety, izay samy mikirakira ny fiainam-pirenena, raha ny fanambarana. Efa tsy nahitam-pahombiazana tany aloha ireo notanisaina ka miantso ny fitondrana amin’izao fotoana hanova fomba fiasa sy hitondra ny tena fanovana nampanantenaina sy andrasan’ny vahoaka aminy. Vonona izahay handray ny andraikitra tandrify amin’izany. Ny fitrandrahana ireo harena ankibon’ny tany heverina ho fototry ny tsy fandriampahalemana mirongatra ankehitriny, tokony ho fahefan’ny fitondrana malagasy malalaka sy tena ao anatin’ny fahaleovantena. Aleo hijanona ho tosika ihany ireo mpamatsy vola vahiny. Mila tena maka ny andraikiny amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana maharitra ny fanjakana ankehitriny. Io harena ankibon’ny tany maro eto io no mampahazo vahana ny asan-jiolahy. Tsy ampy ny hetsika “coup d’arrêt”. Ilaina ny fanaovana ny fanorenana ny fandriampahalemana sy ny fametrahana izany ho
maharitra. Ny famerenana ny fiaraha-monina hifanaja. Ny fanaovana ny fampihavanana araka ny soatovina malagasy”, hoy ihany ireo Cst. Notsindrin’izy ireo koa fa ilaina ny tena fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Miainga any amin’ny fokonolona araka ny rafitra nisy fahagasy. Ny fokontany, ny kaominina, ny distrika sy ny Faritra. Raha tsy voazara araka ny tokony ho izy ny harem-pirenena, tena avela aleo tena ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana tsy hisy ny fitoniana sy ny filaminana ary ny fampandrosoana maharitra eto. Mila zaraina mitovy ny harem-pirenena sy fanohanana omena ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ny eo amin’ny lafiny toekarena, notsindrian’ireo Cst fa efa namolavola ireo paikady entina manao fanarenana ny firenena izy ireo ka fotoana tokony hampiharana izany izao. Toy ny fanosehana ireo sehatra tena mitondra amin’ny fampandrosoana toy ny fambolena. Nitaky ny fanafainganana ny fifidianana ben’ny tanàna reo
Cst, tsy handeha ila ny fandaniana lalàna eto. Ny fanintsiana ny lalàmpanorenana miantoka ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana. Ny lalàna amin’izao fotoana dia nolazain’ireto olom-boatendry ireto fa be ny manjavozavo sy tsy nifanarahana ary efa tsy voahajan’ny mpitondra ankehitriny’ indrindra ny fampihavanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.