Taorian’ireny tsy fahalavorarian’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana ka nampitaraina sy nampimenomenona ireo olom-pirenena malagasy maro tsy afaka naneho ny safidin’izy ireo tamin’iny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany iny dia fantatra, araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo sefo Fokontany vitsivitsy fa vonona izy ireo ny handray ny andraikitra ho fanarenana ireo lesoka goavana hita tamin’ny fomba fiasan’ireo rantsamangaikan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita. Nisy rahateo ny tsy niandry ela fa nirotsaka avy hatrany tamin’ny asa efa manavanana azy ireo na dia tsy mbola nisy aza ny toromarika mazava nomen’ireo tompon’andraikitra mpanapa-kevitra mikasika ity raharaha goavana hiankinan’ny hoavin’ny firenena ity. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireto sefo Fokontany ireto dia efa nisy ny tolo-kevitra naroson’izy ireo mikasika ny fandrafetana ny lisi-pifidianana eny ifotony talohan’ny nanatanterahana ireo karazam-pifidianana hotanterahana eto Madagasikara saingy tsy noraisin’ny CENI-T izany fa ny azy no nomasahany irery tany. Tsy mahagaga raha io no zava-misy, hoy ireto tompon’andraikitra mahalala tsara ny fitantanana eny ifotony ireto satria olona vahiny tsy mahafehy akory ny asan’izy ireo no nanatanteraka ny fanisana ireo olom-pirenena. Mazava ihany koa ny hafatra avy amin’ireto mpitantana Fokontany ireto fa tena azo isain-tanana ireo olom-pirenena tsy afaka naneho ny safidiny raha izy ireo no nomena andraikitra miaraka amin’ny fitaovana sy ny tetibola nanatanterahana ny asa ka tsy mihoatra ny 3% izany raha betsaka indrindra.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.