Tamin` ny fiandohan`ny volana martsa no nanao fitokonana fanariana ho an’ireo tompon’andraikitra mahefa ireo mpiasa eo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Hetsika hitakiana ny tambin-karama “13 ème mois” izay tokony ho raisina isaky ny faran` ny taona.
Manahy ny mpiasan` ity Andrim-panjakana ity sao dia very an-jambany ny tambin-karama. Araka ny fantatra, naharay io “prime” io ny Andrimpanjakana ary voafehin’ny didy aman-dalàna eo anivon`ny primatiora izay novolavolaina tamin`ny taona 2015 izany. Efa nanantona ireo tompon’andraikitra misahana ny fitsinjarana ny karama izy ireo hatramin` ny volana janoary kanefa tsy nahazo valiny mahafa-po. Narirarira ireo mpiasa madinika nitady fanazavana. Niova ve ny lalàna? Sa nisy didy vaovao momba ny tamin-karama? Sao nivoaka tamin`ny kitapom-bolam-panjakana io vola io saingy lasa any an-kafa ? Marihana fa ny solombavambahoaka mandalo fa ny mpiasan’ny Antenimieram-pirenena dia mitoetra sady miadidy ny fampandehanan-draharaha rehetra. Tsy hitsahatra ny hetsika raha tsy voavaha ny olana, araka ny angom-baovao natao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.