Nisokatra omaly maraina ny fampiofanana momba ny arofenitra na "Protocole" sy ny famelabelarana narahina adihevitra mikasika ny arofenitra, izay natao teo amin'ny lapan'ny Tanŕnan'Analakely.
Ny mpiasan'ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) tsy ankanavaka sy izay mazoto handray anjara tamin'ny adihevitra mikasika ny arofenitra no nasaina tamin'izany. Ny fampiofanana manodidina ny "Protocole" kosa dia natokana ho an'ireo miasa ao anivon'ny sampandraharahan'ny "arofenitra" sy ireo mpiasa misahana ny fifandraisana amin'ny any ivelany eto amin'ny fitantanana sy fampandrosoana ny tanàna. Ezahina hovitaina ao anatin'ny roa herinandro ny fampiofanana iray, ary mbola hisy andiany 4 hafa, arakaraka ny fahazotoan'ny mpiasan'ny kaominina, raha ny fanazavana voaray. Mbola hitohy amin'ny manaraka koa ny famelabelarana arahina adihevitra. Ny kaomisera Kananaky Said no nampiofana. Nitondrany fanazavana nandritra izany ny fomba hana-maivanana ny arofenitra Repoblikanina sy ny fifanajana ara-Miaramila sy Sivily". Tanjon'ny fampiofanana ny hifehezana ny arofenitra satria fitaratra eo anivon'ny fiarahamonina, eo koa ny fahaizana manaja ny ambaratongam-pahefana rehetra. Marihana fa hisy ny mari-pahaizana hozaraina ho an'ireo mendrika nandritra ny fiofanana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.