Politique

Mpiasan’ny ala Mitaky ny fialan’ny minisitra Miandrisoa Joseph ?


  • Talata 28 Febroary 2012

Nanatanteraka fitokonana fanairana teny Nanisana omaly ireo mpiasan’ny ala.

 Ny antony voalohany dia ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny famoahana ilay ambaran’izy ireo hoe didim-pitondrana sadasada avy ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny rano sy ny ala, manome alalana ny fanondranana andramena efa voavoatra. Mangataka ny fanafoanana io didim-pitondrana io ny sendikan’ny mpiasan’ny ala. Tsy vitan’izay fa mitaky ny fialan’ny minisitra Miandrisoa Joseph ihany koa, izay ambaran’izy ireo fa tsy mahafehy ny departemanta tantanany, ary miara-miasa amin’ny olona tsy mahalala ny tokony hataony akory. Mitaky ny hikarakarana sy handoavana ny karaman’ireo mpiasa ECD ihany koa izy ireo.

Araka ny vaovao voaray teny an-toerana dia tsy mbola nahazo ny karama volana janoary sy febroary izy ireo, kanefa nisy ihany ny vola nomena ireo mpikambana tao amin’ny Task Force teo aloha, izay nijery ny momba ny andramena tany amin’iny faritra avaratra atsinanan’ny nosy iny. Tsy rariny ary tsy azo ekena izany fitanilana amin’ny fanomezana ny valin-kasasaran’ny miasa izany hoy izy ireo. Saropiaro amin’ny sata mifehy azy sy ny fomba fiasa amin’ny ankapobeny koa ireo mpiasan’ny ala ireto, ka tena tsy mety amin’izy ireo ny tsindry aloka sy teny midina ataon’ireo mpikambana ao amin’ny kabinetran’ny minisitra, mibaiko rehefa misy ny iraka na mission atao. Misy amin’ireo mpikambana amin’ny kabinetra ireo anefa no tsy teknisianina sy tsy mahalala ny havia sy havanana amin’ny resaka ala akory, hoy ihany ireo mpiasa nitokona teny nanisana omaly ireo. Nivoaka teny ihany an-toerana teny koa omaly, ny tokony hisian’ny ministeran’ny ala manokana mihitsy. Fitokonana fanairana 72 ora moa no ataon’izy ireo, ka raha tsy mahazo valiny mahafa-po avy amin’ny manampahefana, hatramin’ny alarobia izao, dia mety ho avy ny grevy lavareny.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT