Nigadona ny fotoana nifanomezana ho an’ny mpiasam-panjakana.
Hanomboka anio ny fitokonana faobe iraisan’ny sokajin’asa samihafa. Hifamotoana eo amin’ny “rue de la Liberté” ny rehetra anio manomboka amin’ny 10 ora ho fanombohana ny fiaraha-mientana. Avy eo dia hanotrona ny fitsarana an-dRakotonandrasana Valérien, sekretera jeneralin’ny SiSFM (Paramed) etsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy. Nifanao velirano hiara-dalana hatrany moa ireo sokajina mpiasam-panjakana ireo, nandritra ny fihaonambe nanaovan’izy ireo fanambarana tao amin’ny Carlton omaly. Anisan’izany ny Sempama, ny mpiasan’ny banky foibe, ny mpampianatra mpikaroka, ny mpiasan’ny fadintseranana, ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara, ny mpitsabo, ny “Cellule de crise interministérielle des Agents de l’Etat”, ny F3M, ny PECAPE, ny mpianatra eny ankatso nahitana ireo filoha mpitarika isaky ny fakiolte. “Tsy mijanona ny hetsika rehetra raha tsy voavaly ny fitakian’ny sendika sy ny mpiasam-panjakana isan-tokony”, hoy Rabemanantsoa. Nentanina koa ireo mbola misalasala hanatevina ny hetsika raha napetraka amin’ny toerana sahaza azy kosa ireo lehibe mpanao didiko fe lehibe.
“Fanjakana efa amoron-tevana io no mbola akanareo ranondranony. Rehefa miala ireo mpitondra fanjakana ireo dia miala miaraka aminy koa ianareo”, hoy Ratolojanahary Maharavo na i Doudou, Talen’ny fanohanana sy ny fitantanana ifotony ao amin’ny Ministeran’ny fitsinjaram-pahefana sady mpandrindra ny «Cellule de crise Interministérielle des Agents de l’Etat». Nampitandremany niaraka tamin’izany koa ny administera sivily sasantsasany miasa ao amin’ny ministeran’ny atitany izay mamono afo. Nisy koa ny hafatra nampitaina tamin’ny vahoaka sy ny sehatra tsy miankina mahatsiaro ny hirifiry mahazo ny mpiasa amin’izao hanatevin-daharana ny tolona.
Noraisina ohatra tamin’izany ny fijoroan’ireo mpiasan’ny banky foibe izay tsy mpiasam-panjakana kanefa tsy manaiky ny fandikana ny lalàna mifehy ity andrim-panjakana mitandro ny fahamarinan-toeran’ny vola Ariary ity. Nanao antso amin’ny FFKM koa ry zareo mba hiditra an-tsehatra amin’ny fanelanelanana amin’izay satria vao mainka hanamafy ny fahasahiran’ny mpiasa sy ny vahoaka ny fitohizan’ny olana ara-politika sy ara-tsosialy eto Madagasikara. Sahala amin’izay koa ny antso avo amin’ireo masoivoho mba handray ny andraikitra tandrify azy na dia tsy mitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy aza. “Tsy noho ny FAT no nahateo anareo foana nandritra izay telo taona sy tapany izay fa ny vahoaka satria ianareo tsy mankato io fanjakana io. Koa raiso ny andraikitra”, hoy i Doudou.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.