Nampiantso ny mpanao politika tetsy amin’ny hotely Carlton omaly ry zareo ao amin’ny “Cellule de crise des Agents de l’Etat” hivondronan’ireo sendikan’ny mpiasam-panjakana maro ka nanazava ny hevitr’izy ireo mikasika ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ankehitriny.
Tsy nisalasala izy ireo naka ny hevitr’ireo mpanao politika. Nambaran’ny mpandrindra ity “Cellule” ity, Atoa Ratoejanahary Maharavo Doudou fa fotokevitra hirosoan-dry zareo amin’izao fotoana izao ny fanolorana tolokevitra araka ny lalàna velona. Fa maro ny fomba mety handravana ny tetezamita izay fanao eran-tany amin’ny fomba ara-dalàna. Nandefa “requête” any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana àry ry zareo ny 11 jolay teo mahakasika indrindra ny lafin-javatra maro mifanohitra amin’ny tondrozotra iainan’ny firenena ankehitriny. Tsy iandrasana izay fihaonana any Seychelles, hoy ity mpitarika sendikaly ity ny hevitra arosonay satria heverinay fa tsy hitondra vahaolana koa izany dinik’izy mianaka izany fa avy hatrany dia maka fanapahan-kevitra mialoha izahay.
Tokony hatambatra ny hery, hoy izy, ary izay mihitsy no niantsoana anareo mpanao politika ireto. Tsy nisalasala moa ny solontena vitsivitsin’ireo mpanao politika sy fikambanana tonga tao, toy ny ankolafy Zafy Albert notarihan’ny Pr Miandrisoa Marcel, ny “Front des opposants pour la libération de Madagascar” nahitana an-dry Lalatiana Ravololomanana, ny ankolafy Ravalomanana nahitana ny Dr Jules Andriamaholison, mpanao politika vitsivitsy toa an-dry Rasambozafy Cyrille (EXOPOLES, Jacques Aimé Raharinirina (Tambatra), Beza Seramila (Tambatra), Razanakoto Marcellin (KMDT), Pr Rajaonarivelo Paul (Komitin’ny fanavotam-pirenena), fikambanana samihafa toy ny Fiverenana an-doharano … nilaza fa masa-bary maito kitoza ny antso nataon’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana ka nanolo-kevitra avy hatrany ny hananganana haingana ny komity manokana hametrapetraka ny stratejia iombonana ry zareo ary tapaka fa hatao anio alakamisy 26 jolay maraina eny amin’ny Villa Elisabeth ny fananganana izany. Tsy resaka olona no hitondrana ny fampitambaran-kery, hoy ny feo heno tetsy amin’ny Carlton omaly, fa ny rafitra hitantanana ny firenena no olana eto ka ilaina ny “refondation de la République”.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.