Politique

Mpiasam-panjakana Hanao hetsika hafa noho ny hafa ato ho ato


  • Zoma 26 Aogositra 2011

Mahatsapa fa atao fitaovana mandrakariva ireo mpiasam-panjakana, mahatsapa koa izy ireo fa dia “manompo” mandrakariva ireo tonga eo amin’ny fitondrana.

 Tsy afaka maneho hevitra izy ireo na dia manana izay tokony hambarany aza. Matetika, araka ny fanazavana, dia ireo mpanao politika no miantso mandrakariva ireo mpiasam-panjakana kanefa raha ny tokony ho izy, hoy ireto mpiasa dia “izahay no tokony hiantso ny mpanao politika”. Etsy andanin’izany anefa dia tsy vitsy amin’izy ireo no tratry ny teritery sy ny tsindry hazo lena. Vao tsy ela akory, ohatra, ny “raharaha Landry”, mpiasan’ny fadintseranana izay voaheloka ho nanimba fananam-panjakana rehefa tsy nanaiky fa nitarika ireo mpiasan’ny fadintseranana etsy Antanimena nitaky ny mangarahara sy ny famoahana ny anaran’ireo atidohan’ny afera andramena. Manoloana izany rehetra izany dia tsy hitazam-potsiny ireo mpiasam-panjakana izay milaza ho tara mandrakariva amin’ny resaka vaovaom-pitolomana. Fantatra àry fa manana ny tambajotra sosialiny na Facebook ankehitriny ny fonksionera Malagasy. Efa an-dalana koa ny famoronana tranonkala. Izao no atao dia mba hifanomezan’izy ireo vaovao sy hifanentanana.

 

Nangonin’i Soa

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT