Politique

Mpiasam-panjakana Hamory vahoaka eny an-kianja lehibe


  • Talata 24 Jolay 2012

Hiditra amin’ny dingana vaovao ny hetsika hataon’ny mpiasam-panjakana manomboka eto.

 Fantatra mantsy izao fa hamory vahoaka amina kianja lehibe ny sendikan’ny dokotera mpiasam-panjakana (SMEDFM) miaraka amin’ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy sy mpampivelona mpiasam-panjakana (SISFM), ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe (SEMPAMA), ny sendikan’ny mpiasan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (SEHMBIOSE) omban’ny Mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo sy ny mpampianatra mpikaroka. Tsy mbola voatondro mazava ny toerana sy andro hanaovan’izy ireo io hetsika io fa ny hany fantatra hatreto dia hoe : toerana hafa mihitsy noho ny Kianjan’ny 90 Ariary etsy Anosy. Hatramin’izay mantsy dia hery hatrany no namalian’ny fanjakana ny fangatahana am-pilaminana nataon’izy ireo.

Hiditra amin’io dingana io ireto mpiasam-panjakana ireto noho ny fahatsapana fa tsy nisy nihaino ny fitakiany. Eo koa ny fanenjehana sy fandrahonana amin’ny lafiny rehetra ataon’ny fitondrana, toy ny niantsoana ireo mpitarika sendikaly avy amin’ny SMEDFM, dia ny filohany Dr Ndatason sy ny avy amin’ny SISFM, dia ny sektretera jeneraliny, Rakotonandrasana Valérie, teny amin’ny “Brigade Criminelle”. Manginy fotsiny ny fanaovana «réquisition» tsy ara-dalàna, araka ny fanazavan’izy ireo sy ny fitsarana tsy ara-dalàna toy ny nahazo an’i Valérien, ankoatra ny fandrarana ny hetsika sendikaly ka nisakanana ny PARAMED tsy hiditra ny faritry ny hopitaly HJRA nefa toeram-piasany, sy ny fanagiazana tsy ara-drariny ny fitaovan’ny sendika. Koa hiroso amin’ny famoriam-bahoaka ireto mpiasam-panjakana ireto, hampisehoana fa afaka miray hina izy ireo. Nanamarika izy ireo fa hetsika am-pilamina no hatao, ka manantena fanohanan’ny sendika hafa sy ny vahoaka izy ireo satria “tsy misy fitondrana mandeha rehefa ny mpiasa mpamokatra no mikatso”.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT