Politique

Mpiasam-panjakana ambony Naningana ny filohan’ny SMM


  • Talata 06 Desambra 2011

Mitohy ny fanatonan’ireo Mpiasam-panjakana ambony ireo mpitarika firehana politika sy mpitondra mpanapa-kevitra ankehitriny hampitoviana tadin-dokanga amin’ny fitadiavana vahaolana mahomby hivoahana amin’izao krizy izao.

Tsikaritra anefa tato ho ato fa tsy dia tazana niara-dia tamin’ny maro ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara (SMM), Auguste Arnaud Marius. Nanava-tena sa nailik’ireo mpitarika sendika hafa ? Fanontaniana mipetraka ny amin’io. Ny zava-misy aloha dia niteraka resabe ny fiovaovan’ny fanambarana nataony nialoha sy nandritra ary taorian’ny fanendrena mpikambana ao amin’ny governemanta Beriziky indrindra ny mahakasika izay ho minisitry ny fitsarana. Teo am-piandohana dia namarafara ny teo anivon’ny SMM sy ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) fa tsy maintsy tolotr’anarana avy amin’izy ireo no hifantenana izay ho minisitry ny fitsarana.

Rehefa nandeha ny tsikera fa tsy voasoratra ao anatin’ny tondrozotra izany hevitr’izy ireo izany, dia niova ho “profil” na toetoetra ankapobe tokony hananan’izay olona hotendrena ho minisitra indray ilay hevitra notohanany. Dia niampy indray fa tokony hifampiresaka amin’izy ireo izay kandida ho minisitra. Ny niafarany dia tonga hatrany amin’ny hoe mamaly (amin’ny ampahany) ny “profil” nofaritan’izy ireo ny minisitry ny fitsarana amin’izao, Razanamahasoa Christine. Tsy nahafaly ny ankamaroan’ny mpitsara io filazana io noho ny fanakiviana mivaivay, avy eto anatiny sy avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mihatra amin’ity minisitra naverina amin’ny toerany ity. Mety ho ireo anton-javatra ireo ve tsy ahitana ny filohan’ny SMM miara-dia amin’ireo namany, mpiasam-panjakana ambony fantatra amin’ny teny malaza tato ho ato hoe : “Grands corps de l’Etat”, sa antony hafa ? Ho hita eo ny tohiny !

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT