Politique

Mpiasam-panjakana ambony Hampikatso ny asam-panjakana rahampitso alakamisy


  • Alarobia 21 Desambra 2011

Nampiaka-peo ry zareo sendikan’ny mpiasam-panjakana ambony mivondrona ao amin'ny GCE, omaly, manoloana ny zava-misy ankehitriny nateraky ny olan’ny mpitsara sy ny polisy.

 Nilaza izy ireo fa hiato tsy hiasa rahampitso alakamisy satria manao be marenina sy mody fanina amin'ny fitakiany ny fitondrana tetezamita taorian’ny firaisankinan’ny OPJ – zandary sy polisy mpanao famotorana nanery an-kolaka ny mpitsara handray ireo olona sy ny antontan-taratasin’ady tokony halefa eny amin’ny fitsarana. Miendrika valin-kafatra ihany ny an’ireo mpiasam-panjakana ambony ka niray feo ry zareo. Sendika 23 no mandrafitra ny GCE izay nanao antso avo amin'ny fiaraha-mientan'ny mpiasam-panjakana rehetra eto amin'ny Nosy mba tsy hiasa fa hiato rahampitso alakamisy 22 desambra.

Raha tsy mivaly io dia hiakatra ho 48 ora be izao izany manomboka amin'ny alatsinainy, ary hitatra toy ny sima misioka aorian'izay raha mbola misy ny manentsin-tadiny. Latsaka an-katerena ary atao ambanin-javatra sy an-kinanga ny asam-panjakana raha ny fanambaran'izy ireo. Manampy trotraka izany ny fitsabahan'ny mpanao politika amin'ity asa ity. Very hasina tanteraka ny didy aman-dalàna mifehy ny asam-panjakana, hoy ireto mpiasam-panjakana ambony ireto. Mitaky ny fahatsiarovan-tenan'ny mpitondra sy ny fandraisany andraikitra faran'izay haingana izy ireo. Dia hikatso indray izany ny raharaham-panjakana amin'io alakamisy io. Any amin'ny fitondrana ny lakile sy ny baolina ankehitriny. Inona no mety hitranga ?

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT