Miala any ny rivodoza ho an’ny tompon’andraikitra isan-karazany any anaty rafi-panjakana, toy ny minisitera sy sampandraharaham-panjakana samihafa, ka maro no mihorohoro amin’ny toerany.
Mivoaka mantsy ny resaka amin’ny fanadiovana katsahin’ny HVM hatao, mba hanomanana ny propagandy, ka hoesorina avokoa ireo tsy olon’ny antoko HVM azo kitihina sy hozongozinina. Tanjona ny hifehy ny rafi-panjakana rehetra mba hahafahana manao fitaovana politika azy hampandresena ny antoko eo amin’ny fitondrana, ka ireo heverina fa tsy hamokatra sy tsy azo atao fitaovana noho tsy HVM, dia hailika fa sao ho lasa vato misakana amin’ny teti-dratsy. Mitandrintandrina noho izany ireo mpiasa any anaty minisitera isan-tsikajiny sao ho tratran’ity sikilaonina HVM ity. Tena maro no miezaka manidy vava amina resaka fanehoan-kevitra sy famoaham-baovao amin’izao fotoana izao sao ny zavatra hambara eo no ho lasa fitaovana mizotra makany amin’ny fanalana azy amin’ny toerany. Isan’ny resaka nivoaka tany Mahajanga, ohatra, ny mety hamindrana na hanalana amin’ny toerana ny Tompon’andraikitra ambony amin’ny fampianarana noho izy ireo tsy nahafehy sy tsy nahatonga ireo mpampianatra vao voaray ho mpiasam-panjakana niatrika ny fifampiarahabana tratry ny taona, ka babangoana ny toerana, ary olona vitsitsy sy fikambanam-behivavy nomena 3 tapitrisa ariary no hany nanotrona an-dry Rivo Rakotovao sy ny tariny. Porofon’ny tsy fahatokisan-tenan’ny fanjakana sy ny antokony amin’ny fifidianana, ka miezaka mifehy ny rafitra rehetra aloha. Niainga tany amin’ny fanambazana sy fampiakarana galonana manamboninahitra ambony marobe. Nitohy tamin’ny fakana ekipa mpamadika avy amin’ny antoko sy vondrona politika hafa mba ho mpanolotsaina any an-dapa. Manao antsojay sy gafy ara-politika ny kandida atahorana. Izao indray dia mety hiditra amin’ny fanaisorana ireo tsy HVM azo hesorina any anaty rafi-panjakana. Tsy mahatoky tena eo anatrehan’ny rivotra politika sy ara-tsosialy eto amin’ny firenena, izay efa tofoka sy leo ny fanjakana HVM, ka miezaka mihefy ny rafitra rehetra aloha. Rehefa milamina sy mipetrapetraka ny tetikady hahafaha-mandresy amin’ny fifidianana, vao mety havoaka amin’izay ny datim-pifidianana mazava ary handeha ny fifidianana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.