Taorian`ny fanapahan-kevitra noraisin`ny fanjakana momba ny raharaha Fanirisoa Ernaivo, dia naheho ny tsy fahafaliany ireo mpanara-dia azy.
Mazava fa didy politika izy iny, hoy Rabenilalana Jocelyn, mpiara-dia aminy . Ny fandraisam-pitenenana ny momba ny raharaha Ambohitrimanjaka no nanaovana ny sazy. Maro ireo zavatra noresahina tetsy sy teroa saingy mazava be amin`ny hoe didy politika. Nanamafy izy fa toa tsy saziana ireo nanao afera maloto teto amin`ny firenena saingy natao nihodinkodina teo ihany, toy ireo afera andramena, ireo fivarotana tanindrazana… Ireo tompon’andraikitra ambony no tompon’antoka fa toa tsy nisy nandraisana fanapahan-kevitra hatramin`izao, hoy ihany izy. Notsipihany fa rehefa tsy mitovy hevitra ve dia andraisana fanapahan-kevitra tahaka ireny ? Hentitra no nilazan-dRabenilalana Jocelyn fa mbola hivadika aminareo tsy ho ela izao tranga izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.