Toa tsy misy masoandro mirana mihitsy ny an’ireo mpianatra Malagasy any Chine. Tsy mety voavaha mantsy hatramin’izao ny resaka vatsim-pianarana sy saram-pianarany.
Raha nivory niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny oniversite momba ny “géosciences” ao Wuhan ny mpianatra Malagasy ao amin’ity oniversite ity tamin’ny 22 mey teo dia hentitra tokoa io tomponandraikitra io raha nilaza fa tsy afaka hanalava ny fahafahan’ireo mpianatra Malagasy ireo monina any Chine intsony ry zareo ary horoahana amin’ny trano fonenany avokoa ny Malagasy raha tsy mahefa ny saram-pianarany taona 2012-2013 farafahatarany amin’ny 20 jona. Nanambara koa ny oniversiten’i Wuhan fa aferan’ny samy Malagasy ny resaka vatsim-pianarana ka tsy hidirany. Tahaka ny mahazatra dia manao antso avo amin’ny fanjakana Malagasy hamahana ity olona ity ireo tanora manovo fianarana any an-tanin’olona ireo.
Araka ny fantatra dia efa nanoratra taratasy ho an’ny filohan’ny FAT ireo mpianatra Malagasy ireo nampahatsiahy ity farany fa tokony hanatanteraka ny fampanantenany nataony tany Macau izy nandritra ny fotoana nandalovany tany tamin’ny volana martsa 2013. Araka ny vaovao voaray moa dia miandry hatramin’ny fiandohan’ny volana jona izay fotoam-pialan-tsasatra any an-toerana ireo mpianatra Malagasy any Chine ireo. Dila izay dia hifamotoana ao Beijing renivohitr’i Chine izy ireo hanatanteraka fitokonana. Ao amin ny biraon’ny masoivoho Malagasy any Beijing no kasain’ireto mpianatra ireo hanatanterahana izany ny andron’ny 26 jona hankalazana ny tsingerintaona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantenany.
Yves sy Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.