Politique

Mpanongam-panjakana Mody tia tanindrazana !


  • Sabotsy 06 Aogositra 2016

Mitotongana tanteraka ny fiainam-pirenena ankehitriny. Mifatratra any amin’ny mpitondra ny rihitra satria mibaribary ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena. Iarahan’ny rehetra manaiky

 fa anisan’ny namotika an’i Madagasikara izao fitondrana izao saingy tsy afa-miala ihany koa ny teo alohany izay mpiara-dalana taminy ihany saingy nisara-bazana noho ny ady seza. Ny mahazendana ny vahoaka dia ireo namotika ny firenena no mijoro sy miseho ho be hevitra sy manana paik’ady hoenti-manala ny fahasahiranan’ny Malagasy amin’izao olana misy ankehitriny izao. Fa naninona no tsy nampiharina izany tamin’ny fotoana naha teo amin’ny fitondrana ? Efa nitantana an’i Madagasikara ny ankabeazan’ireo izay mody mijoro ho mpanavotra ny firenena ankehitriny saingy niaraha-nahita ny zava-nisy nanomboka ny taona 2009, izay nampikorosy fahana ny fiainam-bahoaka. Nampalaza ireo olona ireo ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Amin’izao dia izy ireo no mijoro ho olo-marina sy miady ho an’ny tanindrazana. Aleo ny vahoaka no hitsara rehefa tonga ny fifidianana fa ny hita aloha dia olona noana sy matin-sseza ny ankamaroany.

                                                                                                       Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT