Ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. faha 150-151 dia mamaritra ny andraikitry ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Mizara roa ny ao amin`ny tanàna.
Voalohany, ny fitantanana (fonction executive): ny ben`ny tanàna izay lanim-bahoaka. Faharoa, eo akaikiny eo ny “fonction deliberative” na filankevitry ny tanàna, izay lanim-bahoaka ihany koa. Amin`ny 27 novambra izao dia fifidianana ben`ny tanàna sy filankevitry ny tanàna no hatao. Mazava ny famaritana ny lalàna mahakasika ny filankevitry ny tanàna dia ireo olom-boafidy ho mpanolotsaina. Ny asany dia miasa amin`ny fivoriambe ampahibemaso ataony ao amin`ny lapan`ny tanàna. Ireo no manapaka ny fitantanana ny tanàna. Eo ny fitantanana ara-bola dia izy ireo no mifidy ny tetibolan`ny tanàna. Mametraka ihany koa ny fomba fampiasana ny tetibolan`ny tanàna. Mandany na manome “quitus” amin`ilay fitantanana ara-bola amin`ilay taona mivalona. Ny fitantanana amin`ny ankapobeny indray dia ry zareo no manome alalana ny ben`ny tànàna raha afaka mivarotra na tsia ny fananan`ny tanàna. Eo koa ny fanofanana ny tanàna dia miangavy amin`ny filankevitra. Ny fitantanana ny mpiasa ihany koa dia tsy maintsy mandalo amin`ireo mpanolotsaina ny fanendrena ireo tompon’andraikitra ambony ao amin`ny tanàna. Tsy miresaka ny lefitry ny ben`ny tanàna akory fa ireo tompon’andraikitra ara-pitantanana toy ny tale samihafa… Izy ireo no mahakasika ny ben`ny tanàna mivantana : afaka mametra-panotaniana mahakasika ny fitantanan`ny ben`ny tanàna. Afaka mampihantona ny ben`ny tanàna raha toa ka misy zavatra tsy mifanaraka. Toy ny tany Toamasina sy Antsirabe farany teo saingy tsy maintsy misy fandrindrana miaraka amin`ny minisiteran`ny atitany sy ny fitsarana misahana ny ady amin`ny fanjakana eny anivon`ireo faritra taloha ireny. Amin`ny ankapobeny, araka ny lalàna mahakasika ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, dia mazava ny rindran-damina sy ny fahefana nomena azy ao amin`ny tanàna.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.