Politique

Mpanolotsain'ny filohampirenena Tena ambonin'ny lalana


  • Alarobia 14 Desambra 2016

Manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny mpitondra ankehitriny noho ny tsy fisian’ny fifandanjan-kery ara-politika eo aminy sy ireo milaza azy ho mpanohitra.

 Zary hanjakazakan’ny mpitondra ny zava-drehetra. Tsy misy tahotra sy henatra intsony ny afera maizina ataon’ny olona ambony eto amin’ny firenena fa vao mainka hireharehan’ny olon’ny HVM fa izy ireo no tompon’ny fahefana sy ny vola ary ny harena, ka tsy misy hahasakana azy ireo amin’izay tiany hatao. Afaka madiodio ny olona nahatrarana vola an-tapitrisany Euros tsy mazava sy tsy ara-dalàna tany ivelany, satria olona akaiky ny filoha. Hampandosirina any andafy ny olona voarohirohy tamina fanondranana andramena tsy ara-dalàna. Harovana fatratra ny olona malaza amina fanodinkodinam-bolam-panjakana an-jatony tapitrisa ariary. Malaza ratsy amin’ny fangoronan-karena mihoapampana ny mpitondra, kanefa voizina foana ny hoe fanjakana tsara tantana.Mpanolotsaina tena akaikin'ny filoham-pirenena avokoa ireo malaza ratsy sy ambonin'ny lalana afaka manao izay tiany ireo, ary efa mahalala tsara ny anaran'izy ireo i Madagasikara iray vohitra indrindra ny eny amin'ny seranatsambo sy seranam-piaramanidina fanondranana entana. Mbola sahin’i Hery Rajaonarimampianina ihany anefa ny milaza matetika fa tany tan-dalàna i Madagasikara.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT