Politique

Mpanolotsain’ny filoha Mifaninana mividy fiaramanidina


  • Alarobia 20 Aprily 2016

Samy manana ny mahaseriny azy. Raha sahirana amin’ny hanin-kohanina ary mandry tsy lavoloha amin’ny tsy

 

fandriampahalemana ny 92%-n’ny Vahoaka Malagasy dia zavatra hafa no mahaseriny ireo tandapa manodidina ny filohan’ny Repoblika. Vao nandray fitondrana ny HVM dia ny nihazakazaka manangana radio sy fahitalavitra ary gazety an-tsoratra ireo mpanolotsain’ny filoha. Tsy voaisan’ny rantsan-tanana izy ireo raha ny eto an-drenivohitra fotsiny, ny any amin’ny faritra manginy fotsiny. Nifoha hatramin’ireo onjam-peo efa navalon’ny tantarana am-polony taona aza. Ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Andrianjato Vonison no miezaka mandamin-dresaka manoloana ny tsikera amin’ny mizana tsindrian’ila eo amin’ity tontolon’ny asan-gazety eto Madagasikara ity, satria misy haino aman-jery mba te hisokatra, toy ny MBS fa mitsivalana marindrano amin’izany ity minisitra ity. Tato ho ato dia mifaninana mividy fiaramanidina indray ireo mpanolotsain’ny filoha. Ankoatra ny efa am-perinasa, dia re izao fa misy fiaramanidina vao tonga indray eny Ivato eny ny faran’ny herinandro teo. Fiaramanidina misy motera roa, amin’ny karazany “Beechcraft 200” vita amerikanina irony ilay izy, ary sokajiana ho fanaovana afera. Tsy ahitana afa-tsy toerana folo ao anatiny. Tany Frantsa no nividianana azy, araka ny loharanom-baovaonay. Mbola ny loharanom-baovao ihany no milaza fa mpanolotsain’ny filoha, fantatra tamin’ny fikarakarana hetsika aman-danonana teto an-drenivohitra no nanao fangatahana fahazoan-dalana hampidirana an’io fiaramanidina io tany amin’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM). Sady tsy nanda no tsy nanamarina ny fisian’izany ireo tompon’andraikitra rehetra nantsoina teo anivon’ny ACM niainga tao amin’ny Sekretaria jeneraly, nipaka tany amin’ny “Cellule de Veille ACM” manara-maso ny fivezivezen’ny fiaramanidina eny Ivato ary mandalo ny “Direction de la Supervision de la Sécurité”. Tsy ny fananan’ireo mpanolotsain’ny filoha fiaramanidina no olana eto, mety ilaina raha misy dia maika hataony na tsy maintsy handehanany rahateo ny fitaovam-pitaterana toy ireny ... Na izany aza, mba mampametra-panontaniana ihany ny fomba nahazoana azy ireny tamin’ny fomba haingana, satria mba fantatra ihany izany vidina fiaramanidina izany.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT