Sarotra ny miatrika ny zava-misy eto amin’ny firenena. Na ho an’ny mpanohitra io na ho an’ny mpitondra, raha ny fandinihan’ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Harisolofo Rakotondrabe azy.
Any amin’ny mpitondra ny baolina, hoy izy. Manomboka difotra ny fomba fijery izay milaza fa tsy miainga ny tetikasan’ny filoham-pirenena. Teo, ohatra, ny fiaingan’ny fotodrafitrasa ho an’ny trano fonenana na Trano mora ho an’ny eto Antananarivo, Mahajanga ary Toamasina. Efa mandeha koa io izao ny fijerena ny faritra Alaotra Mangoro amin’ny resaka sakafo sy vidim-piainana ary ny fananganana kianja manara-penitra sy ny tariny. Mbola lavitra ezaka anefa, hoy izy, ny fananana toetsaina hiatrika asa. Anisan’ny hitarafana ny fahavononan’ny vahoaka hiatrika fiovana na tsia, hoy izy, ny resaka fifindra-monina. Tsy azo terena io anefa satria manana ny safidiny ny rehetra. Tsy tao Senegal ihany fa na tany Eoropa na Amerika, rehefa tanàn-dehibe, hoy izy, raha dinihina ny tantara dia nisy foana ny hoe fiarahamonina mahantra manodidina tanàna vaovao ary nisy aza fifamonoana mihitsy tany amin’ny firenena sasany. Ho antsika kosa, hoy ny tenany, dia ny fifanakalozana na serasera no hitako tena zava-dehibe. Tsy hisy mpitondra angamba hinia hanala bara-batana ka hanolotra tetikasa hanimba ny fiarahamonina saingy misy sosokevitra maro sosona ao ka raha harahana fitaovana ireo dia inoako fa hitondra toetsaina vaovao ho an’ny fiarahamonina. Ny sinoa, raha tonga amin’ny toerany dia niankina tamin’ny herin-tsainy aloha, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.