Politique

Mpanohitra eto amin’ny firenena Tsy antenaina intsony


  • Alatsinainy 05 Desambra 2016

Mbola manomana paikady vaovao sa efa tofoky ny tsy fahombiazana ny mpanohitra eto amintsika ka aleo mangina sy mipetraka ? Tsy misy aloha hatreto ny fifandanjan-kery eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra, ka manjaka tokana ny fanjakana HVM, izay toa tsy taitry ny fanoherana intsony.

Tsy misy hery matanjaka ho arofanina sy mba hanery ny fanjakana hanitsy ny diany, ka manao izay tiany hatao ny mpitondra. Tsy mazava intsony koa ny mpanohitra sy ny mersenera politika mitady seza fotsiny. Tsy takona afenina ny fahitana olona mimenomenona noho ny tsy fahombiazan’ny fitondrana, saingy tsy hita popoka sy tsy re feo intsony avy eo fa siosion-dresaka sisa no ahalalana fa notendrena amina toerana ambony, ka nangina tanteraka. Tsy tambo isaina ireo hetsika sy vondrona politika samy miteny avokoa, ka tsy hay ny manavaka izay vary sy tsiparifary. Raha mbola toy izao misy ankehitriny izao no fomba hanoherana ny fitondrana HVM, dia tsy hisy zavatra hiova eto ary raha mbola toy izao ihany koa ny herin’ny mpanohitra eto amin’ny firenena dia tsy handresy ny mpitondra mihitsy amin’ny fifidianana. Paikadin’ny maro amin’ireo milaza azy ho mpanohitra sisa ny hoe mikendry lanitra mba hahavoazana tendrombohitra, ka tsy atao mahagaga raha ho maro be ny hirotsaka hofidiana filoham-pirenena, ka any amin’ny fihodinana faharoa vao hivarotra ny vato kely azo sitrany ahay voatendry ho minisitra. Tsy hisy fanoherana vanona eto raha mbola izay foana no atao fa tsy mba vonona ny hanambatra hery handresy. Any amin’ireo hery politika matanjaka izay miandry fotsiny ny fifidianana sisa vahaolana.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT