Politique

Mpanohitra ao amin’ny Parlemanta Toherin’i Jean Louis Robinson ny tenin’i Honoré Rakotomanana


  • Alarobia 02 Martsa 2016

Tsy voatery ho mambra ao amin’ny Parlemanta no maka ny toeran’ny mpanohitra ao fa mety olona avy any ivelany , hoy i Dr Jean Louis Robinson raha nivahiny tamina radio tsy miankina iray eto an-drenivohitra omaly.

 

Manoloana ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Honoré Rakotomanana milaza fa tsy maintsy mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona no maka ny toeran’ny mpanohitra ao. Nilaza ny filoha nasionalin’ny antoko AVANA sady kandida niatrika ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin’ny 20 desambra 2013 fa tsy mandà ny ho mpanohitra ny antoko tarihiny, saingy miandry ny votoatin’ny didy fampiharana ny lalàna momba ny mpanohitra ka raha mety amin’izy ireo dia miditra, raha tsy mety dia mijanona amin’ny toerana misy azy amin’izao.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT