Tsy vitsy ny nanambara fa hirotsaka kandidà ho filoham-pirenena amin`izao taom-pifidianana izao ka efa nanentana ny mpikambana ao amin’ny antokony sy ny olom-pirenena. Tsy miafina amin’ny Malagasy rehetra fa anisan`ireo misongadina aloha ny antoko TIM, Mapar ary ny HVM.
Tsikaritra tato ho ato izay fa miha mafy ny antsojay, ny fanakianana sy fanalam-baraka ataon’ireo mpomba ny fitondrana sy mpiara-dia amin’ny HVM an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Porofo izany, ny zoma lasa teo, nanao valandresaka tamin`ny mpanao gazety ny plateforme MMMA na Malagasy Mijoro Miaro ny Ara-dalàna, izay ahitana fikambanana maro sy antoko politika, manohana ny fitondrana ankehitriny. Araka ny nambaran`ny filoha nasionalin`ny 3MA dia mankasitraka ny zava-bitan’ny HVM ny tenany sy ireo mpikatroka rehetra ary nampiany fa na dia nandripaka olona maromaro aza ny pesta tamin`ny taon-dasa dia tokony hofoanana ny pesta fankahalana fampandrosoana ny firenena sy hambom-po politika diso toerana eto amintsika. Ohatra akaiky noraisiny ny etsy amin`ny farihin`Anosy. Betsaka mantsy ireo mankahala sy manohintohina io fotodrafitrasa io, hoy izy. Nanamafy ihany koa izy fa ireo mieritreritra ho kandida ho filohan`ny Repoblika kanefa iharan`ny lalàna na henjehin`ny lalàna dia tsy tokony hanao amboletra hilatsaka raha tena fitiavan-tanindrazana. Totoafo isan’andro eny amin`ny tambajotra serasera toa nny facebook ny fanaratsiana an-dRavalomanana, efa manomboka mahazo ny anjarany koa i Rajoelina, ny esoeson-teny sy fandrahonana ataon’ireo manampahefana sasany tsy lazaina intsony.Misy aza moa ny manakarama olona hanaparitaka trakta tsotra izao ho fanaratsiana an-dRakoto sy Rabe.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.