Manao rodobe mitety Fokontany mampahafantatra sady manentana ny mpifidy hampandaniana ny kandida Dr Robinson Jean Louis ireo mpanohana azy eny ifotony. Teny Atsimondrano ohatra dia nisy ny «caravane» niainga teny Iavoloha, nandalo an’Andoharanofotsy, Ankadimbahoaka, nihazo ny by-pass nankany Ambohijanaka nataon’ny mpanohana ity kandida laharana faha-33 ity nanao fampielezan-kevitra sady nampianatra ny olona ny fampiasana ny bileta tokana. Tao Toamasina indray dia nifarimbona ny ankolafy Ravalomanana sy ny Taratr’i Madagasikara. Tao Ambohijafy izy ireo ny sabotsy, nitohy tao Tanambao II omaly alahady, miezaka mampita amin’ireo mpifidy isam-pokontany ny fandaharanasan’ny kandida Robinson Jean Louis, dia ny MAP (Madagasikara Ampandrosoana) izay fanohizana ny Madagasikara Amperinasa ihany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.