Politique

Mpanohana kandida depiote maromaro ao Moramanga Nandefa taratasy misokatra ho an’ny filoham-pirenena


  • Talata 26 Martsa 2019

Andriamatoa filoha, mahavelom-panontaniana ny maro aty amin’ny Distrikan’i Moramanga izao toe-draharaha manodidina ny filatsahan-kofidiana ho solombavambahoaka izao,

hoy ny taratasy misokatra nantefana mpanohana kandida ho depiote maromaro ao an-toerana. Raha ny fahafantaran’ny maro dia orinasam-panjakana ny orinasa Fanalamanga satria ananan’ny fanjakana petra-bola manodidina ny 99%. Marina fa « Société Anonyme » no rafitra itantanana io orinasa io saingy volam-panjakana ary volam-bahoaka ihany no mihodina ao. Midika izany fa an’ny fanjakana ary an’ny vahoaka avokoa ny fananan’io orinasa io, hoy hatrany ity taratasy misokatra ity. Amin’izao filatsahan’Andriamatoa Tale jeneralin’ity orinasa ity ho solombavambahoaka izao dia miharihary ny fanaovany « précampagne » any amin’ireo faritra manodidina an’i Moramanga sy ny fampiasany ny fitaovan’ny orinasa, toy ny fiara. Mametra-panontaniana ny maro  hoe tsy tokony hametra-pialana ve ity tale ity ? Nahoana no mbola mampiasa ny fiaran’ny orinasa foana izy amin’ny fitetezam-paritra ataony ? Eo anatrehan’izay dia mangataka ny hijerena akaiky izany hisian’ny fitoviana eo amin’ny sehatry ny fifaninanan’ireo samy mpilatsaka hofidiana aty amin’ny distrikan’ny Moramanga, hoy hatrany ny fanambarana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT