Mpanohana an’i Camille Vital any Frantsa

> Manahy fanodinkodinana ny safidim-bahoaka


  • Alarobia 30 Oktobra 2013

Ny ahiahy tsy ihavanana. Betsaka rahateo ireo tranga tsy mazava manodidina ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany vita ny 25 oktobra 2013 iny.

Notanisain’ny komity mpanohana ny kandida Camille Vital any Frantsa ny fisian’ny fandorana kara-pifidianana sy biraom-pifidianana, ny lisitry ny mpifidy tsy ara-dalàna, ny fahataran’ny fisokafan’ny biraom-pifidianana na koa ny fihidiany aloha loatra tamin’ny faritra sasany. Sady mahakivy sy mampieritreritra koa ny fitarazohan’ny famoahana ny voka-pifidianana mbamin’ny fampakarana ny vato any amin’ny CENI-T ka mahatonga azy ireo hametra-panontaniana raha misy tokoa ny mpiambina ny vata fandatsaham-bato amin’ny halatra isan-karazany mety miseho mandrapahatongan’izy ireny any amin’ny CENI-T. Mampatahotra izao toe-javatra izao, hoy ity komity ity ka mitady toky amin’ny CENI-T ny fisian’ny fahamarinana sy mangarahara ry zareo. Miantso ny vahoaka Malagasy ry zareo noho izany ho mailo ka hanamarina izay mety mampiahiahy rehetra. Aza adinoina fa zontsika izany, ary isika no tompon-tsafidy, hoy ny komity. Ho an’ny CENI-T indray dia takiany ny fanamarinana ny bileta tokana rehetra, fa tsy hianona fotsiny amin’ny fampitahana ny fitanana an-tsoratra.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT