Politique

Mpanohana an'i Andry Rajoelina Malahelo fa maty momoka ny tolona natao


  • Talata 29 Novambra 2011

Araka ny angonam-baovao natao tetsy sy teroa dia fantatra fa maro amin'ireo olona nanohana an'i Andry Rajoelina tamin'ny 2008 sy 2009 no manomboka miraviravy tanana sy kivy amin'izao fotoana.

 Tsy hita taratra intsony amin'ny zava-misy sy ny firafitry ny tetezamita ny tolona ho amin'ny fanovana natao telo taona latsaka kely lasa izay. Malaza amin'izao fotoana ny fiaraha-mitantana ka dia tafiditra ao anatin'ny fanjakana ireo olona narodana teo aloha, indrindra fa ny avy amin'ny ankolafy Ravalomanana. Manaraka izay, araka ny fahitan'ireto mpitolona tamin'ny 2009 ireto azy ihany dia mpanao politika tia vola matim-boninahitra ny ankamaroan'ireo milaza azy fa miara-dia amin'ny filohan'ny tetezamita amin'izao fotoana, hany ka manomboka marefo ny fototra politikan'Atoa Andry Rajoelina fa tsy tahaka ny tany aloha intsony. Manampy trotraka izany moa dia tsy mahavita azy mihitsy ny antoko TGV fa variana manangan'ady amin'ny solontenam-panjakana any amin'ny Faritra fotsiny ary manao teny midina isaky ny mihetsika. Mahatsikaritra ihany koa ireto mpanara-dia an'i Andry Rajoelina sasany ireto fa karazan'ny nataon'ny antoko AVI ho tohatra fiakarana ihany Atoa Andry Rajoelina, ary Atoa Ratsirahonana mihitsy, araka ny fahitan'izy ireo azy, no fositra mahatonga ny filohan'ny FAT hibirioka indraindray.

Vokatr'izany rehetra izany dia ny AVI izao no hita fa antoko vonona tsara mihitsy amin'izay fifidianana ho avy eo satria efa mipetrapetraka isaky ny faritra ireo olony ary tafiditra anatin'ireo rafi-pitantanana ara-panjakana ny ankamaroany ary tena resiny lavitra ny TGV. Manahy mafy, araka izany, ireto mpitolona nanohana an'i Andry Rajoelina tamin'ny 2009 ireto fa sao lahy dia hivarina any an-kady ilay lamasinina. Ireo mpandinika ny fiainana ara-politikan'ny firenena kosa anefa, etsy ankilan'izay dia mahita fa tsy tafita ny tolona tamin'ny 2009 satria tsy tena tany amin'ny fanovana ho amin'ny tsara kokoa ny tanjona, fa ny fandrodanana fotsiny an'i Marc Ravalomanana sy ny fanapotehana ary fandravana ny fananany mba hampalemy azy ara-politika. Nahomby tamin'ny ampahany fotsiny io paikady io ary ny zava-misy aza amin'izao fotoana dia hiverina Atoa Ravalomanana ary tsy azo atao mihitsy hoe malemy ara-politika izany fa toa vao miha aza nitombo traikefa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT