Politique

Mpanodinkodinana volam-panjakana Tsy tokony hahazo famotsoran-keloka mihitsy, hoy ny PNJ


  • Alatsinainy 16 Aprily 2012

Voalaza mazava ao anatin’ny andininy ao aminy ny hoe ny fahadisoana rehetra mifandraika amin’ny hetsika ara-politika no voakasik’io lalànan’ny famotsoran-keloka vao nolanian’ny parlemantan’ny tetezamita io, hoy ny filohan’ny PNJ Ranaivoson Désiré.

 Ny fanondinkodinam-bolam-panjakana dia tsy mifandraika amin’ny hetsika politika fa rehefa hanodinkodim-bola izy dia manao na misy tranga politika na tsia. Amin’ny fijerinay PNJ azy dia tsy tafiditra ao anatin’ny tokony hahazo famotsoran-keloka mihitsy ny mpanodinkodina volam-panjakana. Ilay komitin’ny fampihavanana malagasy indray na CFM dia mety zavatra roa, araka ny voalaza teo, hoy ihany ity CST ity, hoe mety misy adino ilay olona ao anaty lisitra nomena na ilay dosie kirakirain’ny fitsarana, dia any izany ny olona mahatsiaro hoe izaho adino nefa tokony hiditra ao anatin’ilay tokony hahazo famotsoran-keloka. Na koa mety misy ilay hoe mihoatra ny vanim-potoana efa any alohan’ny taona 2002 na taorian’ny 2009 nefa kosa tafiditra ao anaty sehatra tokony hahazo famotsoran-keloka ny zavatra nataony dia azo atao koa ny mangataka izay.

Ho anay dia efa manomboka feno ny fepetra rehetra ka miandry daty mazava avy amin’ny CENI sy ny manampahaizana manokan’ny Firenena Mikambana ny vahoaka ahazoantsika miroso amin’ny fifidianana. Ho an’izay resa-pifidianana izay moa, hoy Atoa Ranaivoson Désiré, dia samy manana ny faharesen-dahany daholo ny rehetra. Ho an’ny PNJ, raha tena hanao « réfondation » isika na hoe hanorina firenena dia tokony hiainga amin’ny fididianana ifotony. Raha hamaha krizy maimaika fotsiny isika fa te hanana Prezidà dia mifanohitra amin’izay no atao, nefa mety tsy hiteraka fanorenana vaovao izany. Raha resaka fivoahana ny efitrano fivoriana indray dia taratry ny demokrasia ireny aminay saingy tokony ho natrehana aloha ny adihevitra vao nandray fanapahan-kevitra ny ankolafy Ravalomanana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT