Politique

Mpanelanelana vahiny Nilanjan’ny olona sorabaventy teny Antaninarenina


  • Zoma 12 Jolay 2013

Nihaona tamin’ireo delegasiona mpanelanelana vahiny handamina ny krizy eto Madagasikara ny vondron’olona tafintohina amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao.

Nikasa hihaona nivantana tamin’i Joaquim Chissano izy ireo saingy tsy tody tamin’izany satria efa tao anaty fivoriana tanteraka niaraka tamin’ireo nanao sonia ny sori-dalana tao amin’ny hotely Colbert ireo vahiny. Afaka nifampiresaka tamin’ilay diplomaty mozambikanina Nuno Tomas, mpiara-miasa amin’i Chissano, anefa izy ireo nampitana taratasy homena ny SADC. Araka ny fanazavan’ity vondron’olona tafintohina ity dia nisongadina tamin’ny resaka nifanaovan’izy ireo tamin’i Nuno Tomas fa mikasa hanolo mpikambana eo anivon’ny CES ry zareo mpanelanelana. Mpikambana izay heverin’izy ireo fa tsy nanaja izay voalazan’ny sori-dalana. Niaiky rahateo moa ireo mpikambana eo anivon’ny CES fa fanapahan-kevitra politika no noraisin’izy ireo mba hisian’ny fitoniana. Io omaly io ihany dia nanao hetsika teo anoloan’ny hotely Colbert Antaninarenina koa ny delegasion’ny VOT Vondron’olon-tsotra manohana an’i Marc Ravalomanana nanatitra taratasy sady nilanja sorabaventy mitondra ny hafatra ampitaina amin’ireo iraky ny SADC sy ny vondrona iraisam-pirenena, fa sady mahantra no mijaly ny vahoaka Malagasy, ka tsy azo ekena intsony ny zava-misy.

ANA

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT