Mpanelanelan’ny SADC

> Ho soloina ny ekipan-dry Chissano ?


  • Zoma 16 Aogositra 2013

Hotanterahana ao amin’ny Centre de Conference International de Bingu – Lilongwe renivohitr’i Malawi, ny sabotsy 17 sy ny alahady 18 aogositra izao, ny fivoriambe faha-33-n’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC, raha araka ny fampitam-baovao avy amin’ny biraom-pifandraisan’ity vondrona ity eto amintsika.

 

Ho dinihana mandritra izao fivoriana izao ny raharaha anatin’ny SADC mikasika ny toe-bola, ny fampiharana ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny fivorian’ny minisitry ny SADC eo amin’ny sehatry ny fampianarana, ny indostria, ny fanamboarana foto-drafitrasa, ny fadin-tseranana, ny tontolo iainana ary ny fizahantany. Na dia hibahan-toerana aza ny resaka fampandrosoana sy ara-toekarena mandritra ity fihaonana ity dia tsy maintsy hifantohan’ireo filoham-panjakana ihany koa ny raharaha politika sy ny famahana ireo krizy maro samihafa tahaka ny eto Madagasikara, ny any amin’ny Repoblika demokratikan’i Congo ary ny atsy Zimbaboe.

Hanao tatitra momba ny zava-misy any amin’ireo firenena ireo ny filoha Tanzaniana Jakaya Kikwete izay sady filoha amperinasan’ny Troika ary misahana ihany koa ny lafiny politika, fiarovana ary filaminana. Tsara ho marihana fa tapitra tamin’ny volana jolay lasa teo ny fotoam-piasana ho an’ireo mpitarika tao amin’ny Vondrona SADC koa dia tsy maintsy hirosoana izany ny fifidianana sy ny fanendrena ireo mpitarika vaovao. Koa manomboka izao dia ny filohan’i Malawi, Joyce Hilda Banda indray no hitarika ny SADC, misolo toerana ny filohan’i Mozambika Armando Emilio Guebuza. Ary ny filohan’i Namibia Hifikepunye Lucas Pohamba kosa no ho mpandimby ny filoha Tanzaniana Jakaya Kikwete amin’ny fitantanana ny Troika. Vita hatreo koa aloha ny maha mpikambana an’i Afrika Atsimo tao anatin’ny Troika fa dia hanendry firenena iray hisolo toerana azy ny fivoriambe. Efa akaiky hifarana ihany koa ny fotoam-piasan’ny Dr Tomaz Salomao, koa dia tsy maintsy hifidy Sekretera mpanatanteraka vaovao ny fivorian’ny filoham-panjakan’ny SADC.

Roa ny kandida mpifaninana izay avy any Tanzania sy Seychelles. Heverina fa mety hiova miaraka amin’izay ihany koa ny ekipan’ny mpanelanelana alefan’ny SADC eto amintsika satria vita hatreo ny asan-dry zareo Mozambikana fa dia hiditra an-tsehatra indray izany ny hafa. Ho an’i Madagasikara manokana dia azo antoka fa hifantoka betsaka amin’ny fifidianana ny resaka mandritra izao fivoriana izao. Andrasana izay fehin-kevitra hivoaka, fehin-kevitra izay mety hifanindran-dalana amin’ny famoahan’ny CES ny lisitry ny kandida, izay navaozina, ary hialoha lalana ny famoahan’ny CENI-T datim-pifidianana vaovao manodidina aorian’ny 20 aogositra.

 

 

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT