Na tsy mbola nodinihina tao amin’ny parlemanta roa tonta (antenimieram-pirenena sy antenimierandoholona) aza ny volavolan-kevitra federaly dia miezaka mametraka ny olony manerana ny nosy ny RFM (Rassemblement des Fédéralistes de Madagascar).
Anisan’izany ny any amin’ny faritany Antsiranana. Voatendry ho filoha mpitarika ny RFM any an-toerana Atoa Atiky Soulaïmane Tsiresy Houssen, izay mpanao gazety. Efa nitarika ny RFM tao amin’ny distrikan’i Marovoay faritra Boeny izy talohan’ny nahavoatendry azy hitarika ny RFM Antsiranana. Faly sy ravo ny tanora sy ny vahoakan’Antsiranana iray manontolo raha naheno io fanendrena azy io. Naneho fankasitrahana ho an’ny filoha nasionalin’ny RFM eto Madagasikara, Jeneraly Razakarimanana Ferdinand ny tenany tamin’ny fanendrena azy ary nanome fahatokisana feno aminy ny hitantanany ny RFM any amin’ny Faritanin’Antsiranana. Mitady olona ohatr’azy ny firenentsika : Matahotra an’Andriamanitra, tia fihavanana ary miasa ho an’ny vahoaka malagasy rehetra, ary nandalina momba ny raharam-pirenena, hoy ity mpitarika ny RFM any Antsiranana ity. Tsy adinony ny nisaotra ny fikambanan’ny tanora mandala ny fotokevitra federalisita any amin’ny faritanin’Antsiranana (DIANA –SAVA).
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.