Politique

Mpandraharaha mpomba an-dRajoelina iray Nosakanana minisitra ny fanolorany omby…


  • Alarobia 30 Janoary 2019

Samy zanak’i Mahanoro ary samy mpanohana an-dRajoelina no tsy mitovy hevitra satria misy ny endrika fankahalana, raha ny vaovao azo.

 

 

Nikarakara fiaraha-mifaly ny tany an-toerana noho ny fahalanian’i Andry Rajoelina ho filoham-pirenena satria nampandany azy ity faritra iray ity. Noho ny mety ho tsy fitovian-kevitra eo amina olom-boafidy efa minisitra sy ny mpandraharaha, dia natao izay handavana ny ny fanomezana natolony, raha toa ka voalaza tany am-boalohany fa afaka manao avokoa ny rehetra ary raisina an-tanan-droa, hoy ny fampitam-baovao. Nivadika anefa ny rasa rehefa fantatra fa io mpandraharaha io no nanolotra omby sy vary noho ny mety ho tsy fitovian-kevitra na fankahalana ka nolazaina fa tsy ilaina ny fanomezana avy any aminy. Nentanim-pitiavana ny vahoaka noho ilay fiaraha-mifaly, ka nanolotra omby sy vary hanaovana nofon-kena mitam-pihavanana izy, hoy kosa ireo mankasitraka ny fihetsika nataony. Nanana ny hambom-pony ihany koa izy ka nilaza hoe : « havereno ary ny omby sy ny vary natolotro ». Izany ve no atao hoe : « ny fitiavana no lehibe indrindra » sa lasa hoe : « ny fankahalana no lehibe indrindra », izay notsinontsinoavin’ilay minisitra, hoy ny fanamarihana. Mitsipa-doha laka-nitana izany io olona io, fa tsy mitovy tadin-dokanga amin’ilay filoha satria izao sahady dia efa mandeha ny fanavakavahana sy ny tsy fitiavana ny namana sy mpiara-belona, ka malahelo ny vahoakan’i Mahanoro, hoy ny fampitam-baovao. Mifamingana sy mifanenjana izany ny samy mpanohana an-dRajoelina ?

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT