Iray andro sisa dia hikatona ny fe-potoana ahafahana manatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana amin`ny fifidianana solombavambahoaka manerana an`I Madagasikara.
Tsy nihazakazahana toy ny tamin`ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ny fisoratana anarana tamin` ity taona ity. Raha ny tatitra farany dia 71 no voasoratra anarana ho kandidà depiote manerana ny nosy: miisa 51 avy amin`ny sehatra tsy miankina na mpandraharaha raha toa ka 20 avy amin` ny antoko. Raha ny hevitr` ireo mpanara-baovao dia mety noho ilay fiakaran` ny antom-bola ho an`ny fifidianana hatrehina amin`ny 27 mey ho 5 tapitrisa ariary raha toa ka 4 hetsy izany tamin` ny taona 2013. Andrasan` ny maro kosa ny lisitra ofisialy avy amin`ireo antoko sokajiana fa lehibe toa ny Mapar sy ny TIM. Re fa henjakenjana ny adihevitra tamin’ny fisafidianana izay ho kandida, ary misy amin’ireo efa depiote teo aloha tsy vaohosotra ho kandidan’ny antokony no nanapa-kevitra fa hirotsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana. Tsara no mampatsiahy fa ankoatra ny fandaniana volavolan-dalàna sy fanaovana tolo-dalàna dia anjara asan` ny solombavambahoaka eto Madagasikara no manara-maso ny asan` ny mpanatanteraka. Tsy manamboatra lalana na tsena na sekoly ny depiote fa mitondra ny feon` ny vahoaka sy ny hetahetany eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka dia ny governemanta izany. 151 eny amin`ny Antenimieram-pirenena, anio sy rahampitso no hahafahana manatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana farany, koa azo antoka fa hibosesika izany eny amin’ny OVEC isaky ny distrika ato anatin’ny roa andro.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.