Politique

Mpandraharaha ao Toamasina Manohana ny hanatanterahana ny fifidianana


  • Alatsinainy 13 Mey 2013

Manao ranolava ny fanehoan-kevitra avy amin’ny sokajin’olona maro, mikasika ny raharaham-pirenena ankapobeny indrindra taorian’ny nivoahan’ny fehin-kevitry ny mpandray anjara tamin’ny “fampihavanana sy famelan-keloka” nokarakarain’ny FFKM teny Ivato farany teo.

 Nilaza mazava ireo mpandraharaha sendra ny Tia Tanindrazana tao Toamasina fa “aleo handeha ny fifidianana fa mikatso ny firenena. Tsy ho zaka intsony raha mbola hotohizana 18 volana hafa indray ny tetezamita, satria efa tena mijaly ara-bola ny mpandraharaha, miaina anaty fahantrana ny Malagasy, ary efa manomboka manakatom-baravarana ireo mpamatsy vola manampy trotraka ny tsy fahamarinan-toeran’ny fiarovana ny fampiasam-bola eto”. Namafisin’izy ireo fa “firenena voasazy i Madagasikara tao anatin’ny efa-taona, koa raha tiantsika ny hiverenan’ny famatsiam-bola hahafahantsika manao asa goavana, sy hisokafan’ireo orinasa voatery nanakatom-baravarana ka hiverenan’ny asa ho an’ny rehetra indray, dia ny fifidianana madio, mangaraharaha, ary marina eken’ny rehetra ihany no antoka amin’izany”.

Nolazain’ireto mpandraharaha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana ireto fa “ireo mpandraharaha tena miasa ho tombontsoan’ny firenena Malagasy indray eto no enjehina sy anaovana antsonjay, fa ireo maka ny harena sy tsy mampiditra firy amin’ny kitambolam-panjakana kosa tsy misy sahy miteny ka manao izay danin’ny kibony amin’ny tsy fanarahan-dalana”.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT