Raha nanao fanadihadiana ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa na ny RNDC dia nambaran’ny mpivarotra sasany fa efa miezaka ny minisitry ny varotra.
Afaka misafidy ny vahoaka na hihinana vary avy eto an-toerana na ny nohafarana, hoy ny filohany, Lita Rabetsara. Olona tsy nampoizina no niteny fa tsy ampahafiriny izao. Ho hitanao izany hoe misy manafina io vary io. 72.000-73.000 ariary no vidin’ny kitapo nifanarahana tany am-boalohany ny handraisana azy ho an’ireo mpanafatra ary efa 78.000 ariary teo ho an’ireo mpamongady. Amin’izao fotoana anefa efa 71.000 ariary eny amin’ireo mpamongady ary mety misy aza angamba ireo hilaza hoe nahazo vola Ralita matoa nanaiky io vidiny io. Ny ao anaty fitondrana indray amin’izao no milaza fa tsy ampahafiriny. Te hahazo toerana politika ve fa tsy dia azonay loatra ilay politika, hoy izy. Ny politikan’ny kibo no fantatray ary hotohanana izay manao ezaka. Ho tafajanona eo ve ny mpitondra raha midangana ny vidim-piainana ? Anjaran’ny mpitondra no mijery izay mandoto rano ao, hoy ny namaranany azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.