Politique

Mpandala ny ara-dalŕna Tsy hisy fifidianana eto raha tsy kandida Ravalomanana


  • Zoma 24 Febroary 2012

Anisan’ny hihazakazahana amin’izao fotoana izao ny fandaniana ireo volavolan-dalŕna momba ny fifidianana toy ny lalam-pifidianana, ny momba ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni.

 Etsy andanin’izay anefa dia ezahina halavaina na tsy hotratrarina ny fe potoana napetraka tany Pretoria tokony hamitana ny lalàna momba ny fitoniana, anisan’izany ny momba ny famotsoran-keloka. Ho an’ireo mpandala ny ara-dalàna dia tsotra ny resaka : “Tsy hisy fifidianana eto raha tsy kandida Ravalomanana”, hoy Rostand Randriampilamanana izay nanamarika fa ny ankolafy Ravalomanana dia tsy manambitamby ny hisian’ny amnistia ary tsy handohalika na amin’iza na amin’iza hahazoana izany. Ho an’ny mpandala ny ara-dalàna manko dia ny filohan’ny Fat sy ny forongony no mila izany famotsoran-keloka izany satria izy ireo no namono olona, nitarika olona handroba sy hanani-dapa, hanongam-panjakana.

Ny Frantsay koa, hoy izy no mila amnistia kanefa tsy tokony havela heloka, satria namono Malagasy 89 000 tamin’ny 1947. Ny mpikambana eo anivon’ny kongresy Justin Rakotoarimanana kosa dia nanamarika fa ho henjana ny tolona sy ny fiainana ato anatin’ny telo volana ho avy. Terena tsy hanondrotra solika ireo mpandraharaha, hoy izy kanefa ireo mpamatsy vola tsy mbola vonona hanome vola. Miolakolaka mafy koa ny FAT etsy andanin’izany matahotra mafy ny fiverenan-dRavalomanana. Raha ny voalaza hatramin’izay moa dia tokony hody an-tanindrazana mialoha ny 29 febroary i Marc Ravalomanana. Ho hita eo na ho sahy tsy hanakana azy ny FAT na hametraka Notam hafahafa indray, araka ny vaovao efa miely any ho any.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT