“Tsy misakana izay Malagasy mitady vahaolana fa raha manohintohina ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana izany dia tsy mety aminay”, hoy i Fanantera Longin omaly tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka.
Raha ny zava-misy, hoy ihany ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity dia te handrava ny sori-dalana i Andry Rajoelina kanefa misedra olana izy. Araka ny fanazavana manko, raha hilaza fa tsy hanatanteraka ny sori-dalana i Andry Rajoelina dia tsy ho filoha intsony satria io no mametraka azy ho filohan’ny tetezamita. Momba ny Diniky ny samy Malagasy indray dia fanontaniana no napetrak’i Fanantera Longin raha toa ka hanaiky ny fiverenan’ireo sesitany ireo mpizaika tao. Ho an’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamitiana Ravelonanosy moa dia io sori-dalana io no lalana hitondrana an’i Madagasikara amin’izao ary efa nifaneken’ireo mpanao politika. Io sori-dalana io ihany koa no hampody an’i Marc Ravalomanana ara-dalàna eto an-tanindrazana. Niantso ny FFKM moa ny tenany handray andrakitra amin’ny maha raiamandreny azy ireo.
Tsy maintsy hirosoana ny fifamelan-keloka sy ny fampihavanana, hoy izy ka inoana fa efa niroso tamin’izany amin’ny samy ao anatin’ny FFKM ireto raiamandreny am-panahy. Niantso ny SADC sy ny Troika koa ny tenany mba tsy hampiditra indray an’i Madagasikara amin’ny krizy ka mba tsy hijanona ho fanapahan-kevitra fotsiny ihany izay ho tapaka fa hiakatra ambony kokoa ho an’izay sakana amin’ny fampiharana ny sori-dalana. “Raiso ny andraikitra na dia ho tonga amin’ny ara-tafika aza izany raha izay no tsy maintsy vahaolana”, hoy ihany i Mamitiana Ravelonanosy.
Tetsy andanin’izany, dia nambaran’ny mpikambana ao amin’ny Kongresy Manoela Ralaimampisainarinony fa raha ny sori-dalana no tian’ny FAT arahina, araka izay nambaran’ny jeneraly Ranto Rabarisoa dia tokony hatsahatra avy hatrany ny fanenjehana momba ny raharaha BANI sy FIGN ka avoaka malalaka ireo miaramila gadra politika. Ny fifamelana eo amin’ny samy Malagasy ihany manko, hoy izy no hampiravona ny olana eto amintsika. Nohamafisiny ihany koa fa dia tsy ho ela ny fiverenan’i Marc Ravalomanana an-tanindrazana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.