Politique

Mpandala ny ara-dalŕna Mila olon-kafa hitondra ny tena tetezamita


  • Alakamisy 14 Febroary 2013

Ny Malagasy no mila sy mitaky ny fiverenan-dRavalomanana, hoy Ralaimampisainarinony Manoela.

 Nambarny fa taorian’iny hetsika goavana teny Amboanjobe nanehoan’ny Zanak’i Dada ny heriny iny dia miala any indray ny sotasota. Araka ny fanazavana dia takiana amin’ireo mpitarika ny fahazoan-dalana mamory olona. Fifampiarahabana nahatratra ny taona anefa no natao teny Amboanjobe, hoy izy. “Manomana korontana ry zareo fa tsy isika”, hoy ihany Ralaimampisainarinony Manoela manoloana ny fandehan-javatra ankehitriny. Mikasika ny resabe manodidina ilay fiaramanidina amerikanina mpitondra entana indray dia fanontaniana no napetrak’ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity ny amin’ireo fiaramanidina Transal sy sambo frantsay tonga teto tsy nisy nosavaina.

Tetsy andanin’izay dia nomarihin’ny CT Randrianasolondrabe Eric avy any Sofia fa rehefa tonga ny filoha Marc Ravalomanana vao hodinihana ny fomba hanarenana sy hamoahana ny firenena amin’izao lavaka lalina izao. Mialoha ny fifidianana, hoy izy dia tsy maintsy apetraka ny fifampihavanana hisian’ny fitoniana. Raha izay resaka fifidianana izay indray dia nambaran’ny CT Rakotomandimbindraibe Mamisoa avy any Ambatolampy fa raha ny enti-manana dia tsy mbola ampy, ny tsy fandriampahalemana koa manampy trotraka. Atahoran’i Andry Rajoelina ny fifidianana filoham-pirenena, hoy izy satria hamarana avy hatrany ny tetezamita izany. Tsy ny hevitr’i Andry Rajoelina irery anefa no tanterahina eto ka heveriny fa fahendrena ho azy ny miala mialoha ka aleo, olon-kafa mihitsy no hitondra ny tena tetezamita, hoy hatrany ny CT Rakotomandimbindraibe Mamisoa.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT