Tsy tolon’antoko ny tolona hamerenana ny ara-dalŕna fa tolom-bahoaka.
Ireo rehetra resy lahatra fa tsy mety ny fanonganam-panjakana ka mila averina ny ara-dalàna sy ny hoe Marc Ravalomanana no hany afaka hamaha ny olana sy hitondra fampandrosoana ny firenena. Ireo vondron’olona ireo no nanambatra ny heriny, na avy amina antoko iza na avy aiza na avy aiza, ka nahateraka ny ankolafy Ravalomanana. Efa naharitra telo taona izao izany tolona izany, telo taona koa ny krizy ary hatramin’izao dia tsy mbola misy mangirana na dia efa betsaka aza ireo ezaka natao hamahana izany olana izany. Lava tokoa raha ny faharetan’izany tolona izany, hoy ny Dr Jules Andriamaholison tetsy amin’ny Magro ny sabotsy teo. Izany dia midika fa henjana ny adversera izay tsy iza fa i Frantsa.
Tsy hanaiky ny fanjanahana vaovao tadiavin’i Frantsa hatao amintsika isika, hoy izy ary dia tokony ho mailo mandrakariva, eny fa na dia aorian’izao krizy izao aza. Raha ny fanazavany ihany dia tadiavina hakatso indray koa izao ny sori-dalana ka miantso ireo raiamandreny ara-panahy eo anivon’ny FFKM ny tenany handray andraikitra. Tsy tokony ilay tsy fahombiazana teo aloha no tsy hanatanterahana ny adidy sy ny andraikitra manoloana ny zava-misy, hoy izy. Nanentana ny vahoaka moa ny tenany hanome antoka ireo raiamandreny ara-panahy, izany dia tafiditra ao anatin’ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay.
Araka ny fanazavany dia hisy komity hajoro ho amin’izany. Ny CT Mamitiana Ravelonanosy tetsy andaniny dia miantso ny fianakaviam-be iraisam-pirenena hanara-maso sy handray ny andraikitra. Efa lalàna iraisam-pirenena ny sori-dalana, hoy izy ka izay mitsivalam-pandry tokony hiala sy saziana. Nohamafisiny ihany koa, fa araka ny fifanarahana dia ny goverenamta sy ny SADC no miantoka ny fiarovana ny ain’i Marc Ravalomanana rehefa tafaverina an-tanindrazana ity farany.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.