Politique

Mpandala ny ara-dalŕna Hosamborina ireo mpitarika ?


  • Zoma 17 Febroary 2012

Manomboka mampanontany tena ny rehetra ankehitriny ny tombana amin'izay ezaka vita amin'ilay fiaraha-mitantana nifaneken'ireo mpanao politika ny 17 septambra 2011.

 Ny zava-misy aloha hatreto, raha ny fijerin'ireo mpanara-baovao dia toa sarotra ny toe-draharaha satria ankoatra ny fanakanana ny fianakaviana Ravalomanana tsy hody an-tanindrazana sy ny fanaovana antsojay izay efa tonga eto dia mandeha koa izao ny feo, raha ny fanazavan-dRalaimampisainarinony Manoela, mpikambana eo anivon'ny Kongresy fa dia miala any indray ny fisamborana ireo mpanohitra. Hatreto dia tsy ny avy amin'ny ankolafy Ravalomanana irery intsony no lasibatra fa ireo izay mikitikitika ny FAT, toy izay natao tamin'ny Komity Miaro ny Demokrasia sy ny Tetezamita na KMDT, tarihin’i Marcelin Razanakoto, mpikambana ao amin'ny Kongresy. Na dia hatosika mafy hiala amin'ny sori-dalana aza ny ankolafy Ravalomanana manoloana ireo sotasota atao aminy dia nanamafy ireo mpitarika omaly fa tsy hiala ao anatin'io tetezamita io. Hamingan-tena i Andry Rajoelina, hoy izy ireo raha hivaona amin'io sori-dalana io. Niantso ireo tia tanindrazana sy tonga saina amin'ny tsy fetezan'ny raharaham-pirenena moa ireo mpandala ny ara-dalàna tsy hanaiky lembenana intsony.
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT