Mpanara-maso vahiny

> Nijery manokana ny fizotry ny fifidianana


  • Sabotsy 26 Oktobra 2013

Tsy nisy ny olana goavana hita tamin’ny ampahan’ireo birao fandatsaham-bato notsidihan’ireo mpanara-maso vahiny toy ny Vondrona Eoropeanina notarihin’ny ambasadaoro Leonidas Tezapsidis izay nitety toerana 15 teto amin’ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina omaly zoma 25 oktobra 2013.

Tsapa kosa anefa fa voafehin’ny mpifidy an-tanàn-dehibe ny fombafomba rehetra notakiana taminy na dia somary nandany fotoana aza izany teo am-panombohana, hoy ny fanampim-panazavana nomeny. Ho an’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana izay nanara-maso ny fifidianana teto amin’ny faritra Analamanga sy ny manodidina indray dia nanambara Atoa Azaly, filohan’i Comores teo aloha sady lehiben’ny delegasiona ahitana mpikambana 16 fa anisan’ny fitarainana voarain’izy ireo ny tsy fahampian’ny efitra fandatsaham-bato. Nisy ihany koa ireo olona nitaraina nivantana tamin’ireto mpanara-maso avy any ivelany ireto ny tsy fahafahan’izy ireo maneho ny safidiny noho ny tsy fahitana ny anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy na koa tsy nahazoana kara-pifidianana. Nanambara moa izy ireo fa fijerena ny zava-misy miaraka amin’ny tatitra aloha no atao fa mbola hisy ny fihaonamben’ireo mpanara-maso vahiny rehetra handraisana ny hevitry ny fikambanana mpanara-maso isan-tokony mialoha ny hanaovan’izy ireo tatitra.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT