Anisan`ny mpiara-miombon`antoka akaiky amin`i Madagasikara amin`ny fanatontosana ny fifidianana rehetra eto amintsika ny Vondrona Eoropeanina.
Noho io antony io indrindra no mbola hanampian`izy ireo tohana ara-bola ho an`ny Firaisamim-pirenena SAFIDY 520,000 Euros hahafahan`izy ireo miantsoroka ny tokony hatao amin`ny tontolo fifidianana kaominaly, indrindra ny fanaraha-maso. 776 kaominina amin`ny distrika miisa 112 ao anatin’ireo faritra 22 eto Madagasikara no hanapariahana ireo mpanara-maso fifidianana 4 100 avy amin`ny fiarahamonim-pirenena SAFIDY mandritra ny fizotry ny fifidianana monisipaly sy kaominaly. Anisan`ny olana hatramin`izay ny tsy fahatomombanana isan-karazany na eo anivon`ny fokontany na eo anivon`ny mpifidy, indrindra eo anivon`ireo kandidà handray anjara. Mandritra ny fifidianana kaominaly ho avy izao, ny Ivon-toerana SAFIDY dia hifantoka amin’ny fanaraha-maso ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra, ny fizotry ny fifidianana, ny fikirakirana sy ny fanambarana ny vokatry ny fanaraha-maso ny fifidianana, ny fifanolanana amin’ny fifidianana, ny lalàm-pifidianana ary ny tamberin’andraikitra takiana. Manana anjara andraikitra lehibe amin`ny fampandraisana anjara amin`ny fifidianana ihany koa ny olo-pirenena mba hisian`ny fifidianana ara-demokratika hametrahana ny tena fampandrosoana marina. Nanamafy i Harijaona Andriamoraniaina, mpandrindra ankapobeany ny Safidy fa ilaina ny fametrahana fiaraha-miasa eo amin`ireo rantsana samihafa hampangarahara ny fifidianana. Mba hampivoarana azy io sy ny tamberin’andraikitra eo amin’ireo rafitra mpikarakara ny fifidianana, ny SAFIDY dia nametraka sampana hanao tantsoroka ny mpanara-maso, ny firaisamonim-pirenena ary ny olompirenena eo amin’ny lafiny lalàna sy fomba fitorohana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.