Ahiana tsy hanjary ilay fampihavanana kasain’ny FFKM hotontosaina manomboka rahampitso alakamisy. Rehefa nivory mantsy ny CSC na Komity manara-maso ny fampiharana ny tondrozotra niaraka tamin’ ireo vondrona mpanao sonia ny tondrozotra ny alatsinainy teo dia namoaka fehin-kevitra milaza fa tsy mety ilay fivoriana mitsitokotoko.
“Ankoatra ny FFKM dia hanao fampihavanana koa ny FFM mbamin’ny SADC. Iray ihany anefa no tanjona ka tokony hitambatra ka hanatanteraka fikaonan-doha iray ary tsy mivoaka ao raha tsy mahita vahaokana iraisana”, hoy Péri Rakotondraibe, filohan’ny CSC. Vao ny alatsinainy hariva teo moa no nahary fanasana amin’ilay fampihavanana hataon’ny FFKM ny CSC ka tsy mbola fantatra raha handray anjara na tsia. Ny fivoriambe tontosain’ny mpikambana androany no hahitana izay. Voakiana araka izany ny SADC tarihan’ny Dr Joaquim Chissano izay mampiantso mitokana ireo mpisehatra ara-politika amin’izao fahatongavany eto izao. Nilaza ny filohan’ny CSC izay hihaona aminy anio alarobia fa tsy misy mankato io fomba fiasa io intsony ny Malagasy. Momba ny SADC izay indrindra dia takiana ny fananganany birao maharitra eto Madagasikara mba tsy hanao tsidi-pahitra intsony ireo mpanelanelana alefany. Angady tsy matapaka ahitra tokoa mantsy ny biraom-pifandraisan’ny SADC ka mila vonjy any Gaborone na Dar es Salam hatrany rehefa misy ilaina ny heviny.
Anisan’ny fehin-kevitra tinapaka koa ny tokony hanomezan’ny fanjakana sy fianakaviambe iraisam-pirenena tetibola hiasan’ny CSC mba ahafahany manara-maso ny fanomanana sy ny fizotran’ny fifidianana. Araka ny fanazavan’i Velompanahy Aristide, filoha lefiny dia tsy misalovana ny andraikitry ny CENI-T sy ny Ministeran’ny Atitany akory ity andrimpanjakana ity fa mijery kosa ny fahatomombanan’ny andraikitra samihafa voakasiky ny fifidianana. Ny solontenan’ny mpanao politika, Rakotobe Hery avy ao amin’ny Grad Iloafo aza dia nilaza mihitsy fa tokony hanana ny voka-pifidianana azy manokana ny CSC. Farany dia nandray ny fanapahan-kevitry ny filoha teo aloha Ravalomanana tsy hody an-tanindrazana raha tsy aorian’ny fifidianana ireo mpivory teny amin’ny CCI Ivato ny alatsinainy teo. Marihina fa tsy nanatrika ny fihaonana nandraisana io fehin-kevitra io ny ankolafy Ravalomanana noho izy ireo mbola tany Afrika Atsimo. Manamafy ilay fanambaran’ny filoha Marc Ravalomanana ny tsy fodiany ny alahady teo fotsiny ry zareo araka ny fanazavana nomen-dRakotonirina Charles, filoha lefitry ny CSC.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.