Politique

Mpanao sonia ny tondrozotra Mivorivory tsy tapaka etsy sy eroa


  • Alakamisy 30 Aogositra 2012


 Tao anatin’ny fotoana vitsy, roa na telo andro izao, taorian’ny fandrahonana sy fanambaran’ny sasantsasany tamin’ireo ankolafy nanao sonia ny tondrozotra mitondra ny fiainam-pirenena ankehitriny fa misy antokon’olona, na vondron’olona, na antoko politika tokony horoahina tsy ho mpikambana intsony ao aminy, dia nanao tohivakana ny fivoriana tetsy sy teroa ary tsy tapaka mihitsy tamina toerana maromaro miovaova araka ny olona hifampidinihana.

Tsy misy mihitsy hatreto ny resaka mipika ka tsy fantatra mazava hoe : inona marina no tena votoatin’ireny fivoriana samihafa ireny ? Ny hany azo antoka aloha dia misy tsy fitovian-kevitra ao anatin’ny samy vondrona tsirairay amin’ny fiovaovan’ny toe-draharaham-pirenena be ihany tato ho ato. Be ireo mpanao politika no miahiahy. Ny amin’ny inona anefa ?, ao ny be kajikajy ary ao dia ao ny tena matahotra ny hoavy tena mistery. Fa ny itambarana aloha dia ny fiarovana ny seza tsy hidaraboka fa ho avy ny fifidianana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT