Politique

Mpanao politika tsy tazana teny Ivato Samy manana ny antony tsy nahatongavany avy


  • Talata 24 Janoary 2012

Samy manana ny antony tsy nahatongavany teny Ivato tamin’ny sabotsy teo niaraka tamin’ireo olona marobe hitsena ny Filoha Marc Ravalomanana avy any Afrika Atsimo avokoa ireo mpanao politika nanontanian’ny Tia Tanindrazana omaly.

 -          Hoan’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita maromaro avy amin’ny elatra TIM Raharinaivo tazana nitangorongorona teny an-tokontanin’ny Lapan’i Tsimbazaza dia mazava ny antony tsy nahatongavan-dry zareo fa tsy nahazo fanasana tamin’izany izy ireo aloha ary ry zareo rahateo tsy mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana intsony fa TIM fotsiny. Ho azy ireo anefa dia mazava ny ao am-pon’izy rehetra fa mbola manaja fatratra ity raiamandreny nahitan’izy ireo soa ity izy ireo na dia tsy nahavita ny fanamby nataony tamin’ny nidirana tao amin’ity andrim-panjakana ity aza hoe : hamerina ny Filoha Ravalomanana ao anatin’ny fidirana anaty rafitra tetezamita. Ny maro koa tamin’ireo mpiara-mitolona taminay fahiny, hoy izy ireo, mbola maro ny mikilasy anay ho mpamadika ka sao dia misy manararaotra izany eny an-tanim-boanjo eny ka naleo nijanona taty an-trano. Mbola tena manjaka eto amintsika ny  toe-tsaina famaliana faty matoa nisy trangan-javatra tamin’ny sabotsy ireny.

-          Ho’ny filohan’ny AV7 izay anisan’ny nanao angoa-tenda fa ho avy matanjaka amin’ny angady sy ny harona amin’ny fitsenana an-dRavalomana dia tsy tazana firy teny afovoan’ireny olona mpomba ny filoha teo aloha teny ry zareo fa nisy ny paikady tsara rindra efa nomanina ka tsy ny fisehoana imason’olona no zava-dehibe fa ny fanatanterahana ny efa nomanina ka teny amin’ny toerana miafinkafina rehetra teny ry zareo, hoy ny fanazavana fohy azo omaly.

-          Hoan’ny mpomba ny fitondrana FAT, ny CT Nicolas Randrianasolo, kosa (izay mazava loatra fa tsy ho eny Ivato mihitsy) dia nilaza fa efa nazava ny teniny tamin’ny zoma fa tsy hoe tsy fanarahana ny tondrozotra ny fanakanana ny mbola tsy mahamety ny fahatongavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa mba hisorohana ny tsy hisian’ny fifandonana. Mbola tsy fotoana tokony hiverenany mihitsy izao fa tsy mbola milamina ny tany, hoy izy, satria mbola maro ireo tsy maty voalavo an-kibo noho ny zava-nataony teto.  Dia nanao antso avo amin’ny vahoaka madinika voaporiporitra ny lehilahy hoe : aza matimatin’ny fanambazana vola 5000 ariary sy 10 000 ariary ianareo fa ireo mpanao politika vaventy no hahazo tombony amin’ny korontana fa tsy ianareo velively.

-          Hoan’Atoa Henri Charles Randriamahefa kosa filohan’ny FIZAFA, dia mazava loatra fa anisan’ny mpanohitra marindrano ny filoha Ravalomanana ny tenany ka tsy ho avy hitsena velively azy mihitsy mazava loatra. Ho azy ny zavatra nanjo an-dRavalomanana dia efa niainan-dry zareo koa tamin’ny fotoana nikasan’Atoa Pierrot Rajaonarivelo hody an-tanindrazana ka hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena faha-Ravalomanana io nefa tsy tafiditra teto mihitsy. Efa niseho taminay daholo na fanagadrana sy ny tsy fahazoana fahafaham-po tato Tsimbazaza tamin’ny fangatahana “amnistie selective” tamin’ny 2004. Ka tsy gaga aho, hoy izy, raha miseho ny zavatra tahaka ireny tamin’ny sabotsy ireny  fa miverimberina eo foana isika aloha hatreto.

 

Nangonin’i Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT