Politique

Mpanao politika te ho minisitra Nandeha nijery sikidy tany amin’i dadarabe


  • Talata 22 Novambra 2011

Mafy izany fitiavan-tseza ! Tsy matoky intsony ny CV-ny ireo mpanao politika sasany, ka nanatona olona mpahita ny hoavy mba hijereny ny vintany, sao angaha tsy lany ho minisitra.

 Gaga aho, hoy i Aina mpitsabo etsy Itaosy, fa misy tamin’ireo mpanao politika no nanatona ahy, mba hijereny ny vintany, raha ho lasa minisitra ihany izy. Ireo hery avy amin’ny Kalanoro ompiako no fomba heverin’izy ireo ahitana izany. Nanambara i Aina etsy Itaosy, fa azony atao tsara ny mijery izany, saingy tsy nety nanao izy noho ny fahafantarany fa zava-dehibe loatra ny fananana olo-marina mitondra ny tany sy ny firenena, fa tsy miainga amin’ny tsapa vintana. Ny ampiasako ireo kalanoro sy ny Sorabe, hoy ihany ity mpahita ny hoavy ity, dia ny fikarohana zavatra very toy ny fiara na olona io Sorabe io, ary ny kalanoro kosa, dia ny fanalana mosavy, na ankasomparan’olona. Io hery io no milaza ny tranga mety hiseho mialoha sy ny fepetra tokony horaisiny, ary io no namonjeny ain’olona maro, vokatr’izay mosavy izay, hoy ihany izy. Diso fanantenana ihany ireo mpanao politika tonga taty amiko hoy izy, satria tsy nahazo valiny mahafa-po azy, na dia nosandaina volabe aza. Aleo handeha amin’ny fahamarinana ny politika hoy izy, mba ahafahana miala amin’izao krizy izao, ary tsy fomba toy izany no ampiasako ireo hery eo am-pelatanako, hoy ihany ity mpitsabo etsy Itaosy, izay efa fanta-bahoaka ity.
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT