Hotanterahina ny 26 janoary ho avy izao indray eny amin’ny kianjan’ny Elgeco plus eny amin’ny By-pass ilay lalao ara-pirahalahiana sy hanehoana ny firaisankina eo amin’ny samy mpanao gazety sy ny mpanao politika.
Lalao miverina izy ity izay nangatahan’ny maro raha tamin’ny 06 oktobra lasa teo no nisantarana ny hetsika ka nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 8-4 tamin’izany ireo namana mpanao gazety. Nohamafisin’Atoa Tolihare Tsifanay sy ny generation Alphe izay mpikarakara fa izao no hotanterahina dia hahafahana mampihavana sy mampiray hina ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra sy firehana eto amintsika. Toraka izany koa ny mpanao gazety izay samy manana ny firehany sy ny olona mampiasa azy. Saika voaasa sy mandray anjara ao anatin’izany lalao izany avokoa mantsy ireo mpanao pôlitika avy amin’ny antoko maro manerana ny Nosy, manomboka any amin’ny Ben’ny tanàna ka hatrany amin’ireo tompon’andraikitra ambony maro. Tanjona ny hananan’ny tsirairay fomba fijery mitovy hoenti-mampandroso ny firenena na inona na inona olana mety nitranga. Harenina ho tantaran’ny fampihavanana sy ny firaisankina ny datin’ny 26 janoary fa tsy alatsinainy mainty toy ny nitranga tamin’ny taona 2009 intsony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.