Nihaona manokana tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly ireo mpanao politika mihevitra azy ireo ho manana kandida azo arotsaka ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018 afaka hifaninana mivantana amin’ny kandida hatolotry ny fitondram-panjakana.
Anisan’ny tazana teny an-toerana ihany koa ireo fiarahamonim-pirenena vitsivitsy. Tazana teny an-toerana ny filohan’ny antoko PLD, Sarah Rabearisoa, ny filohan’ny Malagasy miara-miainga, Hajo Andrianainarivelo ary ny filohan’ny Olona hasin’ny tany, Emile Ratefinanahary. Ny fanajana ny lalàmpanorenana izay milaza mazava fa 5 taona ihany no fe-potoam-piasan’ny filoham-pirenena ary tokony ho vita mialoha ny 25 desambra ny fifidianana no takian’ireto mpanao politika mpanohitra ireto voalohany. Mila laniana haingana ao amin’ny antenimieram-pirenena, hoy izy ireo, ny lalàna mikasika ny fifidianana ary tokony hisy fifanarahana politika mikasika ny fifidianana mihitsy mba tsy hiverimberenan’ny krizy intsony. Rahampitso moa dia hisy fanapahan-kevitra goavana izay horaisin’ity fivondronana ity, raha ny fanazavana. Mbola taratra hatrany amin’ny fahavitsian’ireo namaly ny antso anefa fa malemy tokoa ny mpanohitra hatreto.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.