Mahavariana fa tsy dia aharenesam-peo ny ankamaroan’ireo mpanao politika sy antoko politika eto Madagasikara taorian’ny fampahafantaran`ny filoha Rajaonarimampianina ilay vina ``Fisandratana 2030`` sy ny an’ny filohan`ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina,
ny ``Initiative pour l`Emergence de Madagascar``. Hatrizay mantsy vao misy trangan-javatra toy ireny dia maneho ny heviny avy hatrany ireo mpanao politika na manohana na mitsikera izay tsy mety. Tamin`ity fitondrana ity kosa aloha dia izay migika toa tapa-doha daholo. Mety izany ve no anton’ny fahanginana ? Sarotra ihany no hinoana izany satria ny eo amin`ny tontolo politika mahazatra eto Madagasikara mantsy, matoa tsy miteny dia efa nahazo tambiny na mbola ampanantenaina zavatra. Hita taratra tsikelikely ny fisehoana fifanarahana politika etsy sy eroa. Iaraha-mahalala fa ny antoko HVM dia tsy maintsy hanao izay hampandany azy amin`ny fifidianana 2018 ary ny tetibola vinavinaina hamatsiana izany dia re fa efa an-jatony miliara maro. Ireo olon’ity antoko ity rahateo no mitantana ny fitaovam-panjakana manerana ny nosy. Hanana izany tetibola izany ve ireo kandidà mpifanandrina aminy ? Mampieritreritra ny zava-misy , indrindra moa fa tato ho ato izay nanomboka nivoaka ny resaka fa efa misy miketrika fitondrana tetezamita any ambadimbadika any.Izany ve no mahavariana ka tsy mampiloa-bava, sa inona ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.